Tazomina ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy I A., « agent de police » miasa eo anivon’ny Service Anti-Gang izay raha ny fantatra dia vao nivoaka ny sekoly ary miana-draharaha aloha hatreto. Izany dia taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nitranga ny alin’ny 26 jolay lasa tao amin’ny fokontany Sandravola, eo amin’ny manodidina an’Andoharanofotsy. Valo lahy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tamin’io fotoana io, raha araka ny fanazavan’ilay fianakaviana voaroba. Poleta iray sy zava-maranitra no nentin’ireo olon-dratsy. Tsikaritry ny tompon-trano fa manao fanamiana zandary ilay iray izay nitondra basy. Tamin’ity fanafihana ity dia mitentina 10 tapitrisa ariary ny vola lasa, izany dia ankoatra ny kojakojan-tokantrano maro izay nobatain’ireo mpanafika. Ny maraina ihany dia nampiantso ny borigady miandraikitra ny alika mpitsongo dia ny mpanao fanadihadiana tao Andoharanofotsy. Nijanona tao amin’ny trano iray teo amin’ny manodidina ihany ilay alika. Niantomboka teo ny ahiahy ary rehefa natao ny fisavàna ilay trano dia nahitàna fanamiana zandary, vodim-bala 7,62 mm miisa 18, balle à blanc 9mm miisa fito, balle à blan 7,65mm miisa roa, menotte miisa telo, galona famantarana zandary miisa dimy ary satroka zandary miisa efatra. Ampy nitazoman’ny zandary ny tompon-trano ny fahitàna ireo porofo ireo. Nosamborina avy hatrany ilay pôlisy sy ny dadany ary nanokafana fanadihadiana. Mbola misy naman’ireo olona ireo maromaro izay karohina momba ity raharaha ity. Mampiteny ny moana ny toe-javatra toa izao noho ny antony telo. Voalohany, mbola vao mpiana-draharaha ilay polisy dia efa tompon’antoka amin’ny heloka bevava ary ny mpiara-monina ihany no isan’ny lasibatra. Asa raha tsy mba hita soritra tany amin’ny fanadinana isan-karazany izay nahatafiditra azy ho mpitandro ny filaminana mihitsy ny hoe mety hivadika ho jiolahy ilay olona rehefa mitazona fitaovam-piadiana. Ny sampana nametrahana azy dia any amin’ny tena miandraika ny ady amin’ny jiolahy mitam-basy sy mpanao heloka bevava. Izy indray anefa ity no nosamborina noho ny fanantontosana izany heloka izany. Farany, ny fahasahiany mandoto ny vondron’ny zandary amin’ny asaratsy nataony, izay mety handranitra ady mangatsika raha tsy voafehin’ny lehiben’izy ireo tsara…
D.R