Ny herinandro lasa teo no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny sampana misahana ny heloka bevava ny olona roa, izay atidoha amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana mahery vaika an’ireo andian-jiolahy mirongatra eto amintsika. Araka ny fanazavana azo dia vehivavy ny iray amin’izy ireo izay fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Clotilde ». Tamin’ny alalan’ny laharana an-tariby nifandraisan’ity vehivavy ity sy ireo olon-dratsy no nahafahana nisambotra ity ramatoa ity. Tamin’ny fisavàna ny tranon’ity farany dia mbola nahitàna balana « kalach » miisa 175 tany aminy ary vodin’ity basy mahery vaika ity. Tamin’ny fanadihadiana ity farany no nanoroany ny namany iray antsoina hoe Sely, izay mpiray petsapetsa aminy amin’ny famatsiana basy ireo olon-dratsy. Fa isan’ny iray nahafahana nahafantatra ireto mpamatsy basy jiolahy ireto ihany koa ny fahasamborana olon-dratsy iray fantatra amin’ny anarana hoe Ifalia, izay voasambotra teto Antananarivo. Ity farany dia isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny faritra Antsohihy, Mampikony ary Mahajanga iny. Nanamafy moa ity olon-dratsy ity tamin’ny fanadihadiana azy fa io ramatoa iray antsoina hoe « Clotilde » io no tena mpamatsy basy azy ireo. Efa samy nentina teny anivon’ny Fampanoavana moa ireto olona roa atidoha tamin’ny fanaparitahana fitaovam-piadiana mahery eny an-tanan’ny jiolahy ireto ary efa samy nadoboka eny Tsiafahy avokoa. I Ifalia kosa dia nomena ireo pôlisy any Mahajanga izay misahana ny famotorana azy sy ireo namany.
m.L