- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Novotsoran’ny fitsarana avokoa ireo voapanga…

Fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Novotsoran’ny fitsarana avokoa ireo voapanga…

Nanahirana ny maro teto Toamasina ny tranga na fanafihana mitam-piadiana nitranga ny taona 2022 sy ny enim-bolan’ny taona 2023 iny. Nisy moa ny vokatra azon’ny polisim-pirenena taorian’izany izay niakatra fitsarana faran’ny teo. Nisy raha teo ny fitsarana ady heloka bevava teo anivon’ny fitsarana ambony, ka isan’ny niatrika izany fitsarana izany ny ekipan’i Rafomezantsoa Christophe sy Jean Charles ary Stelonany Zafindramanana Rudi. 

Raha ny tranga nisy dia antontan-taratasy telo samy hafa no nitorian’ny mpitory nanenjehana azy ireo. Ny antontan-taratasy voalohany dia mikasika ny fanafihana nitranga tao Tsararivotra ny 03 septambra 2022 ; olona roa no voatifitra ka naratra mafy ilay mpitondra raha tafatsoaka kosa ilay ramatoa niaraka taminy. Tonga ny mpitory ka tamin’ny famakiana ny antontan-taratasin’ady dia ingahy Rudi dia tsy nandray anjara tamin’ny fanafihana fa mpampanofa basy 300.000 ariary kosa ny tenany. Ilay ramatoa tafatsoaka no mpitory ka raha nivaly ny didim-pitsarana dia afaka noho ny fisalasalana ny voapanga voalohany ity. Ho an’ny antontan-taratasy faharoa kosa izay mitovy ihany ny voapanga ary natrehan’ny mpitory Atoa Roger Rajoro. Tamin’ity faharoa dia fanafihana mpandraharaha ara-jirofo ka nahafatesana ny zanany nandritra izany tao Tanamakoa Toamasina ny 13 janoary 2023. Nambaran’ny mpitory fa izy telo lahy voapanga ireto no niditra tao an-tokatranony ary nitifitra ny zanany. Nilaza moa ny mpitory noho tambabe nataon’ny mpisolovava ireo voapanga sy ny mpitsara ny raharaha, fa « izaho efa maty anaka sy very vola indray no anaovana tambabe, nefa efa adiny efatra zah nadihadiana teto ? ». Raha ny vaovao voahangona tamin’ny fisamborana an’ingahy Rudi dia nisy ny feo niely fa efa be ny vola nihodina tao anatin’izao raharaha izao. Taorian’ny fifandaharana sy ny fisintahana kely teo amin’ireo mpitsara sy mpitsara mpanampy, ka nohafahan’ny mpitsara am-pisalasalana tamin’ny lohampiampangana 04 nanenjehana azy. 

Nitohy hatrany ny fitsarana fitifiran’olona nataon’ireo andian-jiolahy ireto teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava. Milaza hampiakatra fitsarana fandravana didy ireo mpitory noho didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara nanafaka ampisalasalana azy ireo. 

Malala Didier 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici