- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Olona iray maty, pôlisy iray naratra, jiolahy...

Fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina : Olona iray maty, pôlisy iray naratra, jiolahy dimy voasambotra

Ny alarobia atoandro teo dia nisy andian-jiolahy nanafika olona avy naka vola hamonjy fodiana teo akaikin’ny paositra Malagasy araben’ny fahaleovan-tena iny. Nandeha posy ity mpandraharaha ity avy naka ity vola be ity nandritra ny fanafihana andian-jiolahy azy. Nirongo basy mahery vaika ireo mpanao fanafihana, saingy efa mailo koa ny pôlisy efa nanao fanaraha-maso ny zava-misy, satria efa ho roa andro ny omaly no nahazo vaovao izy ireo fa hanafika ity mpandraharaha avy any Mananara avaratra ity ireto andian-jiolahy, noho ny fandaharam-potoan’ity olona ity efa hain’izy ireo fa haka vola ny diany eto Toamasina.

Vokatra izay efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ny pôlisy ilay mpandraharaha ity izay mora tamin’izy ireo no nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany vao nitranga ny fanafihana. Notifirin’ireto jiolahy ilay mpandraharaha tompom-bola saingy tsy voa fa nahay niala. Lasan’ireo jiolahy ny sakosy nisy ny vola noho izany, saingy voatifitra teo amin’ny tanany ilay jiolahy nitondra azy dia latsaka indray ilay sakosy nisy ny vola. Namaly tifitra koa ireto jiolahy ka pôlisy iray voatifitra teo amin’ny tongony vokatra izany nefa tsy nanaiky nolembenana fa nitohy hatrany ny fanarahan-dia. Nikoropaka noho izany ireto jiolahy, ka avy hatrany izy ireo samy nitsoaka tamin’ny toerana mety aminy avy, ny pôlisy koa tsy nanaiky nilembenana tamin’ny zava-nisy. Ny iray saika handositra tamina fiara tsy mataho-dalana an’ny orinasa “frigota” sendra nandalo avy nitsena mpianatra, ka ilay rangahy teo anoloan’ny fiara no notifirin’ilay jiolahy teo amin’ny vavany, izay maty tsy tra-drano, mba hitsoahana saingy voabahan’ny fitohanana fijanonana (Stop) teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ka tsy afa-nandeha. Niezaka ny nitsoaka ihany ity jiolahy iray nitondra basy mahery vaika ka tuc-tuc ndray no nambanany basy nitsoahana saingy tratran’ny fitohanan’ny lalana teo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny bazary be koa dia tsy afaka. Hany heriny nitsoaka dian-tongotra nefa mora tamin’ireo pôlisy ny nanara-dia sy nisambotra azy ka tao anjoma ny tenany dia tratra niaraka tamina basy PA sy bala telo mbola tao anatiny.

Tao anatin’izay koa dia nifanenjehana tany amin’ny toerana hafa koa ireo namany hafa ka efatra no tratra nandritra izany. Dimy izany ireto andian-jiolahy tratra ireto omaly alarobia saingy manahy ny mety mbola fisian’ny namany hafa sy ny fisian’ny basy hafa fampiasan’izy ireo ny pôlisy, ka nisy ny fisavana trano natao tao Ambalakisoa ny alarobia ihany izay mbola andrasana ny valin’izany ankehitriny. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici