Hagagana ny an’ireo mpivarotra sy ireo mpandalo tao Bazary kely ny talata hariva nahita ity ramatoa iray 53 taona, fantatry ny maro amin’ilay hoe maman’i Finaritra, naratra nitsirara teo amin’ny lalana falehan’ny olona amin’ny sisin’ny arabe teo akaikin’ny oniversite tsy miankina UPRIM. Tsy niandry ela taorian’ny tifitra nahazo azy dia maty ny tenany ary nisy nitondra saika notsaboina tao amin’ny hopitaly manarampenitra Morafeno. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mponina manodidina ny trano fonenany ao Tanambao, izay 100m miala ny nahafaty azy ity, sy ireo nahita ny zava-niseho dia tifitra nataona jiolahy roa nitaingina moto no nahafaty azy. Tsy fantatra na ny vola teny aminy na noho ny antony zavatra hafa no anton’izao famonoana izao, fa raha nahazo ny zavatra nilain’ireo jiolahy dia lasa nirifatra tamin’ny moto nentiny. Raha ny fanazavana azo anefa dia mpivarotra kojakoja madinika vita amin’ny “plastique” ao Bazary kely ity ramatoa voafitra maty ity, ary saika eo aminy avokoa no maka entana ireo mpivarotra madinika mpandehandeha ity kojakoja “plastique” ity. nametra-panontaniana ny rehetra nahita ny zava-nitranga, fa tena tsy matahotra mpitandro filaminana intsony ireo jiolahy, satria tsy miala firy metatra ny biraon’ny polisim-pirenena akory ny namoana ity ramatoa ity, na izany kaomisaria ny boriborintany voalohany Tanambao, na ny biraon’ny kaomisaria ambonivohitry Toamasina eo Bazary kely. Nilaza ny mpitandro filaminana fa naharay fitarainana avy amin’ny fianakaviana mikasika izany, ka mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza samy hafa amin’izao fotoana izao.
Malala Didier