Isan’ireo zandary fito nifonja vonjimaika tao amin’ny fonjaben’i Toamasina Ratsitoherina, noho ilay resaka fampanofana ny basiny tamina andian-jiolahy nanao fanafihana tao Ampasimbe Onibe Toamasina II, ny volana septambra 2016. Ny alatsinainy teo no niakatra fitsarana ady heloka be vava Toamasina ny raharaha, noho ny fitoriana nataon’i Tsarasoa notafihan’izy ireo. Samy niezaka niaro tena teo anivon’ny fitsarana izy valo mirahalahy voaroiroy tamin’ity raharaha ity, afa-tsy i Dadakely izay maty teny amin’ny hopitaly noho ny faharatrany vokatry ny fitsaram-bahoaka nahazo azy. Nandritra izay no nahalalana fa tena an’ity zandary ity tokoa ny basy nampiasain’ireto andian-jiolahy ireto, ka nandritra ny fotoana nihazoany ny lalam-pirenena faha-5 nialany ny asany fiambenany nataony nitondra moto, no nahatraran’ny fokonolona azy nandritra ny fanarahan-dia nataon’izy ireo noho ity fanafihana mitam-piadiana ity, satria hitan’ireo fokonolona tao anatin’ny moto nentiny ilay basy, ka nihazonan’izy ireo mandra-pahatongan’ny lehiben’ny zandary nifanaraka tamin’ny fokonolona hamerenana izany. Taorian’ny famoahan’ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava ny didim-pitsarana, dia telo taona am-ponja sazy mihatra no azon’ilay zandary Ratsitoherina sy Elyse ary Tsiriniaina; dimy taona asa an-terivozona kosa ny an’i William Victor sy Cadrien Fabrice. Izy rehetra ireo kosa dia miampy lamandy roa tapitrisa ariary ihany koa ho an’i Tsarasoa. Ingahy isany Joseph sy Gemaine ary Theo kosa nafahan’ny fitsarana tamim-pisalasalana tamin’izao raharaha izao, noho ny fanenjehana azy ireo tsy mazava tamin’izao raharaha izao…
Malala Didier