Isany asan-jiolahy tena nampanahirana ireo mpivarotra fahana sy mpanao ny “mobile money” ny fisian’ireo andian-jiolahy mpanao andiany roa sy mpitaingina moto scooter manafika azy ireo. Matetika dia amin’ny fotoana fikatonan’izy ireo manodidina ny amin’ny 05ora sy ny atoandro be mahavitsy ny mpandeha eny an-dalana no tena fanafihan’ireto andian-jiolahy ireto azy ireo. Efa betsaka ihany no voasmbotry ny mpitandro ny filaminana saingy tena maro ireto andian-jiolahy ireo manao izany ka izay tratra ihany no manefa ny heloka vitany am-ponja, fa ireo tsy tratra manohy hatrany ny asa ratsiny. Noho ny fitarainana voarain’ny zandary Toamasina tamina resaka fahaverezana moto anefa, raha nanao fanaraha-maso izany ireto zandary dia tsy iza no nampiasa ity moto halatra ity fa ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto ihany. Roa lahy no tratra tamin’izany izay zanaka sy zana-drahalahy na mpitandro filaminana miasa sym bola am-perinasa eto Toamasina renivohitra ny iray tamin’ireto jiolahy tratra ireto; mbola sarona teny amin’izy roa lahy ireto koa ny fahana sy ny “carte Bip” nangalarin’izy ireo mandritra ny fanafihan’izy ireo ireto mpanao “mobile money” sy mpivarotra fahana ireto. ho an’ilay ramatoa very moto nefa izao hita izao ihany, sy ho an’ireo mpivarotra fahana sy mpanao “mobile money” efa lasibatra ireto tovolahy roa ireto, dia tena antony iray nanasarotra ny fisamborana sy ny fikarohana azy roa lahy ireto ny maha-zanaka sy zana-drahalahy na mpitandro ny filaminana ny iray tamin’izy ireo izao; satria efa ela niambenana azy ireo izahay noho izy ireo tsy mba manao saron-tava mandritra ny asan-jiolahy fanaon’izy ireo, nefa tsy mety tratra mihintsy noho izy ireo ampy vaovao mivoaka avy amin’ny rainy sy dadatoany mpitandro ny filaminana, ka afaka manaraka ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana manao fisavana sy fisafoana eran’ny Tanana. Hiakatra fitsarana anio ity raharaha ity…
Malala Didier