- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilÀ lireFanafihana mpandraharaha tao Anjiro : Olona enina voasambotra niaraka tamin’ny basy kalach...

Fanafihana mpandraharaha tao Anjiro : Olona enina voasambotra niaraka tamin’ny basy kalach feno bala

Vehivavy ny iray tamin’ireo andian-jiolahy tratra ny zandary ireto. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny fiarakaretsaka iray avy aty an-drenivohitra sy ny basy mahery vaika « Kalachnikov », feno bala avy nampisain’ireo tamin’ny fanafihana mpandraharaha iray tao Sabotsy Anjiro Moramanga.

Ny herinandro lasa teo no notafihana andian-jiolahy mirongo basy mahery vaika ny tokatranona mpandraharaha iray tao Anosibe-Ifody, kaominina Anjiro, distrika Moramanga. Vola an-tapitrisany maro no lasa tamin’io fotoana io, rehefa avy nampitahoran’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ny tompon-trano sy ny mpiray monina. Marihana anefa fa tsy nisy aloha ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izay, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Taorian’ny fanafihana dia nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto farany ary niezaka nanao savahao sy ny fikarohana ireo mpanafika. Nody ventiny ny rano natsakaina teo satria, andro vitsy taorian’ilay fanafihana, ny zoma lasa teo dia efa olona efa voasambotra ary natao fanadihadiana. Tsy nijanona teo fa mbola nitohy hatrany ny fikarohana ireo naman’ireo olon-dratsy ireto. Nisy fiarakaretsaka avy aty an-drenivohitra nampiahiahy tanteraka, hita nihaodihaody teny amin’iny faritra nisy ilay fanafihana, omaly maraina. Olona telo no tao anatiny,vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Nosakanana avy hatrany ity farany ary nosavaina. Tamin’izany no nahitàna ilay basy « kalach » mety aforitra tao anatin’ilay fiara ary mbola azo lazaina fa feno bala ny tranombalan’izany basy izany. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina natao fanadihadiana. Fantatra teo fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana an’ilay mpandraharaha izy ireo. Nahalala ny iray tamin’ireto farany rahateo ilay voatafika. Raha ny fantatra dia toa hoe handeha hiverina haka an’ilay basy, izay nafenin’izy ireo taorian’ny fanafihana ny dia nalehan’ireto olon-dratsy ireto tany, kanefa dia izao sarona izao. Marihana fa tsy mbola tao anatin’ireto olona enina voasambotra ireto ny tena ati-doha nikotrika an’io fanafihana io. Araka izany, mbola mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ireo zandary any an-toerana, hitadiavana ilay tena lehiben’ny jiolahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici