- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mpivaro-kena : Nahazo fahafahana vonjimaika izy telo lahy voarohirohy

Fanafihana mpivaro-kena : Nahazo fahafahana vonjimaika izy telo lahy voarohirohy

Natolotra ny fampanoavana ny zoma 14 aogositra teo ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny fanafihana ilay mpamongady hena sy omby mipetraka ao Analakininina hopitaly be Toamasina. Lasa nandritra io fanafihana azy io ny vola 16.000.000 ariary avy nalaina tamin’ilay mpividy hena sy omby aminy izay nitranga ny 10 aogositra maraina teo. Voalaza moa nandritra ity fitondrana azy telo lahy voarohirohy teny amin’ny fitsarana ity, fa fianakaviana solombavambahoaka ny iray ary fianakaviana mpitsara kosa ny roa tamin’izay. Raha ny zava-nisy dia niantso azy ireo ny mpitsara tamin’ny 12 ora latsaka fahefany, ka tsy nivoaka tao amin’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana izy telo lahy raha tsy tamin’ny 03 ora. Tsy nohenoina akory ny niharam-boina sy ny vavolombelona nandritra izany. Nivoaka ny didy savaranando ka hatairana ny an’ny rehetra fa fahafahana vonjimaika no azon’izy telo lahy voarohirohy. Nilaza ny hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ambony ny mpisolovava an’ilay notafihana, satria tsy nanao saron-tava ireo mpanafika nandritra ny fanafihany ka tadidiny tsara ny endriny na voadaroka aza ny tenany nandritra izany. Vokany, nisy ary ny fanohanana natao teny amin’ny fitsarana ambony mikasika ny raharaha, ka ho hita eo ny tohiny sy ny vokany indray. Ankoatra izany dia tratran’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny jenia miaramila ity mpanagalatra Tuc-Tuc iray ity. Ny antony nahatratra azy dia niongana ilay tuc-tuc ka voatsindry tao amban’izany ilay mpangalatra ka tsy afa-nihetsika ka nosamborim-potsiny. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha izao amin’ny fanadihadiana, sao misy ifandraisany amin’ilay namono ilay mpamily Tuc-Tuc 20 taona teo aloha teo ity tratra ity. Mizotra tsara izany, hoy ny polisy, ary mety hisy vokany ihany tsy ho ela, satria nijoro vavolombelona ilay mpamily tuc-tuc saika notafihany nahatratra azy ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici