Miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina ankehitriny. Misy manararaotra ireo andian-jiolahy mpanao izany amin’ny fironan’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fisahanana ny fitokonana etsy sy eroa. Tranga iray no niseho teo amin’ny toeram-piantsonan’ireo taksibrosy ao Tanambao V ny zoma hariva tokony tamin’ny 6 ora teo, ka mpivarotra iray nanatitra garava hakana entana any ambanivohitra no lasibatra tamin’izany. Tahaka ny fanaony dia manatitra ireo garaba fakany entana ao amin’ny “gare routière” ity ramatoa mpivarotra iray ao Bazary kely ity, raha vitany izany dia nividy fahana teo ampita ny tenany niantsoana ireo tantsaha fakany vokatra, raha niverina teo ambony posy anefa izy dia tonga ireo bandy roa lahy nanambana basy azy hamoaka ny vola tany anaty poketrany. Vokatra izay satria efa mpanjifan’ity posy ity ny tenany dia niaro azy ka niady tamin’ireto andian-jiolahy roa ireto ilay mpitondra posy, nefa tifitra basy PA avy hatrany no nahazo azy teo amin’ny fony ka maty tsy tra-drano ny tenany izay tovolahy 20 taona avy any Antsirabe. Nahita izany anefa ity namany tovolahy 23 taona avy any Antsirabe ihany koa tsy lavitra teo ka nanavotra azy saingy mbola tifitra hatrany koa no nahazo azy saingy tsy nahafaty azy na teo amin’ny kibony aza no voan’ny bala. Taorian’izay dia tsy sahy nanantona niaro ity ramatoa mpivarotra ity intsony izy roa lahy voatifitra ireto ka nalain’ireto andian-jiolahy ireto mora foana ny poketrany, izay very tamin’izany ny vola roa hetsy ariary ankoatra ireo vola madinika hafa maromaro. Na efa very vola sy niharan’ny asan-jiolahy aza ity mpivarotra ity dia nanao ny ezaka rehetra nitsabo ilay mpitondra posy naratra mafy teo amin’ny kibony, sy niantoka ny fombafomba rehetra nandefa ny fatin’ilay mpitondra posy iray niazo an’Antsirabe tany fiaviany. Haingana ny fahatongavan’ireo polisy saingy haingana ihany koa ny fitsoahan’ireto andian-jiolahy roa ireto vao nahazo ilay vola, koa na nokarohan’ny polisy manodidina ny “gare routière” aza efa tsy hita ny nisy azy ireo na Dia an-tongotra aza no nataon’izy roa lahy.
Malala Didier