Raha tsiahivina dia efa tany amin’ny taona 2018 no nitranga ity raharaha izay nahaverezana omby 106 sy nahafaty ny mpiarakandro iray noho ny tifitra nataon’ireo jiolahy azy nandritra ny fanafihana. Hatreto anefa dia mbola tsy hita mazava ny niafaran’izany raharaha izany na dia voalaza azy fa mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ramatoa iray antsoina hoe Soamiadana, izay tompon’ireo omby voaroba ireo no mijoro ho mpitory ka mitaky ny hisian’ny fitsarana mangarahara amin’ireo voarohirohy amin’izao heloka bevava izao. Fantatra mantsy fa efa misy olona roa voasambotra ary efa nampidirina am-ponja vonjy maika ao Maintirano amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa ireo olon-dratsy mbola karohina sy efa namoahana didy fampisamborana. Saingy mbola miriaria any avokoa izy ireo. Isan’izany ireo olona voatonona anarana fa nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana ny ombin’ity Ramatoa ity, izay efa voatazona tany ambalam-pamonjana rehefa azo teo am-pelatanan’ny mpangalatra. Toy zany koa ny mpiasam-panjakana mpiray tsikombakomba tamin’ny fanaovana taratasy hosoka nanadiovana ireo omby halatra. Tafiditra ao anatin’izany ny mpiray Dina sy ny filohan’ny Dina tao amin’ny tanàna atao hoe Ambonara, kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, faritra Melaky, toerana nitrangan’ity fanafihana ity. Manahy mafy arak’izany ny mpitory ny amin’ny mety hahafaty momoka ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Araka ny filazan’ny mpitory dia heno efa mitady lalana hivoahana ny fonja ireo olona roa efa migadra vonjimaika ireo. Misy ihany koa ny filazana fa efa mivarotra omby mihitsy ireto voampanga mba hahafahana manao ny famotsorana azy ireo. Noho izany, miangavy ny mpitory ny handraisan’ireo ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny andraikitra amin’izao raharaha izao.
T.M.