- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana niharo fanolanana : Lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy tetsy Anjanahary

Fanafihana niharo fanolanana : Lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy tetsy Anjanahary

Roa volana aty aoriana, nibaby ny nataony ihany ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana niharo fanolanana nitranga tetsy Anjanahary ny volana desambra lasa teo. Voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava mantsy ny roa lahy, izay fantatra fa nandray anjara tamin’io tranga io.

Nanomboka tamin’io fotoana io moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza rehefa tonga nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisy ireo lasibatra, ary dia io nahitam-bokany io. Tamin’ny fisavàna ny tranon’ireto roa lahy ireto mantsy dia mbola hita tao ny saron-tava nampiasain’ny iray tamin’izy ireo tamin’ny andro nanaovan’izy ireo ny fanafihana. Tetsy andanin’izay dia nanizingizina mafy ihany koa ireo niharam-boina fa anisan’ireo nanafika azy ireo ireto farany. Nony farany moa dia niaiky ny heloka nataony ihany ireto roa lahy ireto ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ary nalefa avy hatrany tany am-ponja. Raha tsiahivina tokoa ny tranga niseho, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity ny andian-jiolahy maromaro nirongo fiadiana. Tsy nisy afa-tsy mpivady niaraka tamin’ny zanany vavy 18 taona tao an-trano ka mora tamin’ireo olon-dratsy ny nifehy azy. Tsy nianona fotsiny tamin’ny fangalàna ireo vola sy zavatra sarobidy tao amin’ity tokantrano ity moa ireto olon-dratsy fa mbola novetavetain’izy ireo teo imason-drangahy ramatoa vadiny sy ilay zanany vavy. Marihana, hoy ny vaovao, fa mbola misy naman’ireto voasambotra ireto mandehandeha any ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici