- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana ny M’Vola : Tsy mety misy miteny ny manodidina

Fanafihana ny M’Vola : Tsy mety misy miteny ny manodidina

Efa nalefa ny fanadihadiana teo amin’ny manodidina sy ireo izay mety ho nahita ireo jiolahy nanafika. Saingy mbola tsy namokatra izany hatramin’izao satria nanidy vava avokoa izay nanontaniana. Ny anton’izany dia noho ny tahotra sao hisy valifaty na koa tahotra ny mpitandro filaminana. Hatreto dia miompana amin’ny fitsirihana ny bala izay nitifirana ny rindrina ny fanadihadiana. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay ary ny tsikaritra dia nananosarotra izany ny tsy fijoroan’ny olon-tsotra vavolombelona” raha ny fanazavana azo tamin’ny pôlisy. Raha tsiahivina dia vola 11 tapitrisa ariary tao anaty sakaosy izay nentin’ny olona iray nandeha “scooter” no noraofin’ireo jiolahy roa mitam-basy. Rehefa avy nitifitra rindrina izy ireo dia nivoaka toa ny olon-tsotra ary nandeha tsy nisy fanahiana teny amin’ny arabe. Izany hoe marobe no nahita azy roalahy niaraka tamin’ny basy sy ny vola. Na izany aza anefa tsy nisy iray akory, mba nitantara izay hitany. Tsy mainka ve ny toa izany mandrisika ny jiolahy handroba?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser