- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro : Olona dimy no voasambotra, vehivavy ny...

Fanafihana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro : Olona dimy no voasambotra, vehivavy ny iray

Efa-dahy sy vehivavy iray. Ireo no anisan’ny mpampihorohoro amin’ny  fanafihana mitam-piadiana teto Andrenivohitra sy ny manodidina, tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Andavamamba sy Anosibe iny izy ireo, noho ny vela-pandrika natao azy.

Fikambanan-jiolahy sy fanafihana mitam-piadiana : ireo no vesatra anenjehana ireo tambajotran-jiolahy ravan’ny pôlisy indray, ny faran’ny herinandro teo. Fanafihana mpivarotra hazan-dranomasina iray teny amin’iny faritra 67ha, izay nahaverezana 34 tapitrisa ariary, ary fanafihana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro iray teny Anosibe, izay nahazoan’izy ireo vola mitentina eo amin’ny zato tapitrisa ariary teo, no fantatra fa isan’ny nataon’ireto jiolahy ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa nahazoam-baovao izy ireo ary napetraka ny vela-pandrika. Ka ny herinandro teo no fantatra fa voasambotra ny telo tamin’ireo olon-dratsy, teny Ankasina sy Andavamamba iny. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo, hoy ny pôlisy no nanoroany ny namany sy ny toerana misy azy ireo. Ny ampitson’io, teny amin’iny faritr’ Anosibe sy Ampefiloha iny, dia nisy olona roa voasambotra, izay voalaza fa mpanolo-tsaina sy ny mpanome loharanom-baovao an’ireo jiolahy . Vehivavy moa ny iray tamin’izy ireo. Marihana, hoy hatrany ny vaovao, fa olona efa nigadra tany Tsiafahy ny telo tamin’ireto olona dimy voasambotra ireto. Omaly, raha tsy nisy ny fiovana no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto.

Fa ambonin’ireto olon-dratsy rain-dahiny voasambotra ireo, dia mbola nahitana basy « pistolet mitrailleur » marika MAT 49 iray tany amin’izy ireo. Basy mahery vaika izay fampiasan’ny mpitandro filaminana ity, raha ny angom-baovao azo. Eo am-panaovana fanadihadiana manokana mahakasika ny fiavian’ity basy mahery vaika fentin’izy ireo manao fanafihana ity moa ireo pôlisy amin’izao fotoana izao, ary an-dalam-pikarohana ireo jiolahy sasany mpiray tendro aminy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici