- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana « perception » Analamahitsy : Vehivavy iray nampidirina am-ponja

Fanafihana « perception » Analamahitsy : Vehivavy iray nampidirina am-ponja

Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona roa, vavy sy lahy, voasambotra taorian’ny fanafihana ny “perception” tetsy Analamahitsy. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa hotazonina am-ponja vonjimaika ilay ramatoa. Ilay lehilahy kosa fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika. Ireo olona roa ireo dia anisan’ny voasambotra taorian’ny fanafihana niseho teny Analamahitsy. Nahatonga resaka be teto an-drenivohitra sy teny Analamahitsy moa ity fanafihana ity. Mbola maro mpandeha ny lalana no niseho ny fandrombana. Tsy mbola matory akory ny olona no nirefodrefotra ny basy. Nisitrika tany an-tranony avokoa ny mponina. Ireo liam-baovao no sahy nivoaka tsikelikely teny amin’ny arabe. Voalaza moa fa vola hatrany amin’ny 6 miliara tany no tao amin’ny biraon’ny hetra tamin’io hariva io. Ampahany betsaka no tafaverina.

Fa loharanom-baovao hafa indray no nahalanana fa avy eny amin’ny faritra Anosivavaka eny Ambohimanarina avokoa ireo olona maty voatifitra tamin’ny fanafihana ny “perception”. Loharanom-baovao fantatra teny amin’ny tranom-paty no ilazana fa rehefa tonga teny ny havan’ny maty vao nibaribary ny nafenina rehetra. Omaly, razana iray sisa tsy nisy naka teny amin’ny “morgue”.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser