Nifanohitra tanteraka ny filazan’ireo olona nandritry ny fanadihadiana. Tsy iza izany fa ny tompon’andraikitra ara-barotra sy ny mpanentana. Ny voalohany dia nanambara mazava fa tsy nisy mihitsy ny fanafihana fa kosa sinema efa vita petrapetraka tsara no nomanin’ny olona telo izay niasa teo anivon’io toeram-pivarotana io. « Ny fanadihadiana dia namoaka fa tsy nisy fanafihana izany fa kosa tamin’io alatsinainy io dia nisy roalahy tonga, tokony hotamin’ny efatra ora sy fahatelony tolakandro. Naka ny vola izay azo nandritry ny andro izy ireo. Efa ny zoma talohan’io dia efa voalamina avokoa ny paik’ady rehetra » raha araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny fanadihadiana iraisan’ny zandary sy ny polisy. « Nifanohitra ny filazan’ireo vehivavy roa izay tompon’andraikitry ny ‘shop airtel’ : ny iraisan’izy ireo dia samy nandà ny fanamelohana azy izy ireo. Rehefa nohainoina kosa anefa dia ny iray nilaza fa nitondra basy ny jiolahy ary ny faharoa kosa dia nilaza fa nitondra antsy. Niova indray ary izany rehefa nitohy ny fanadihadiana ary nilaza ny faharoa fa sady nitondra antsy no nitondra basy ny olon-dratsy. Nilaza izy ireo fa efa nohidina tamin’ny telo ora sy sasany ny kaonty ary koa ny toeram-pivarotana. Nosokafana indray anefa izany tamin’ny efatra ora tolakandro » raha araka ny tatitr’ireo mpanao fanadihadiana hatrany. Telo minitra taorian’izay dia tonga ireo « mpanafika ». Hatreto dia tsy fantatra mihitsy ny momba ireo voalaza ho olon-dratsy ary tsy misy vavolombelona momba izany rahateo. Hampifanatrehina ny roa tonta anio ary ny fanahian’ny mpitandro ny filaminana izay miadidy ny fanadihadiana dia ireo olona ireo no ahiana voalohany ho tompon’antoka. Sinema be tanteraka raha izany.
D.R