- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana « shop airtel » tetsy Itaosy : Nisy sa tsy nisy ny...

Fanafihana « shop airtel » tetsy Itaosy : Nisy sa tsy nisy ny fakàna takalonaina ?

Mbola manjavozavo tanteraka ny mahakasika ilay  fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tetsy Itaosy, nitranga ny alatsinainy teo. Fanontaniana nipetraka eny am-bavan’ny maro mantsy ny hoe nisy tokoa sa tsy nisy ilay fakàna takalonaina nataon’ireo mpanafika ? Ary tamin’ny fomba ahoana no tsy nahafahana nisambotra azy ireo kanefa tafiditra tao ireo mpitandro filaminana ? Araka ny fanazavana nomen’Atoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur Général de police Randrianarison Fanomezantsoa omaly, raha ny nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia « efa eo an-dalam-panaovana fanadihadiana izy ireo ary efa natomboka omaly ihany ny fanaovana « reconstitution » ny zava-nitranga ».

Tafatsoaka. Raha ny zava-nisy, araka ny fanazavany hatrany, dia nahazo antso tokoa ireo mpitandro filaminana tonga teny, fa hoe nisy fanafihana mitam-piadiana nitranga ary nihidy taman-trano tao niaraka tamin’ireo voatafika ireo olon-dratsy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo sampana manokana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, na teo anivon’ny polisy na ny teo anivon’ny  zandary ary tafiditra tao amin’ilay « shop » voatafika. « Nony tonga tao anefa izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy vehivavy iray. Voalaza ihany koa, fa efa tafatsoaka ireo niharam-boina hafa ary tafaporitsaka toy izany ihany koa ireo mpanafika ».  Marihana fa tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no nitranga ity fanafihana teny Itaosy ity ary roa lahy tsy nisaron-tava, niaraka tamin’ny basy poleta sy zava-maranitra no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana. Vola mitentina teo amin’ny dimy tapitrisa ariary teo ho eo no lasa tamin’io fanafihana io.

Fepetra manokana. Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy tokoa izay, dia saika nirongotra tanteraka ity fanafihana « cash point » ity, raha tsy hiteny fotsiny  afa-tsy ilay teny Ambohidahy Ankadindramamy sy ny teny  Ivandry. Nisy ihany koa ny tany amin’ny faritra Ambositra iny. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia hisy ny fepetra manokana horaisin’ny teny anivon’ny polisim-pirenena mahakasika ity tranga. Anisan’izany ny « fisafoana andro aman’alina ataon’ny polisy fa indrindra mety ho tonga hatrany amin’ny fanisana tsirairay ireo « cash point » ». Fa na izany na tsy izany aza anefa, hoy hatrany ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny polisim-pirenena ity, dia tokony mba ho mailo lalandava sy handray fepetra mifaraka amin’ny fiarovana azy ireo, ny tompon’andraikitr’ ireny toerana fanakalozana vola amin’ny finday ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici