Ny sabotsy teo no nivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny famonoana mompera tao Antsohihy, ka roa lahy tompon’antoka nivantana tamin’ity vono olona nahatsiravina ity, niampy ny namany 12 mianadahy, izay nahatrarana entana halatra sy voasaringotra tamin’ny asa ratsy no nadoboka am-ponja. Raha ny nambaran’ny Polisy, dia efa tambazotran-jiolahy mantajaka ary mitam-basy ireto tra-tehaka ireto, satria rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana ny trano, dia nahafeno trano iray mihitsy ny entana halatra nalain’ireto jiolahy ireto, izay nahitana basy vita gasy iray, niaraka tamin’ireo entana toy ny fahitalavitra sy ny fanamafisam-peo izay tena raitra, ary koa volamena. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao azo hatrany, dia mbola misy naman’ ireto jiolahy mitam-basy naiditra am-ponja ireto hafa karohina fatratra amin’izao.
Eric Manitrisa