- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana sy fanolanana masera : Naiditra am-ponja ireo olona 30 voarohirohy

Fanafihana sy fanolanana masera : Naiditra am-ponja ireo olona 30 voarohirohy

Ny alarobia teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona 30 voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana sy fanolanana masera niseho tao Andranomanelatra, herinandro vitsivitsy lasa izay. Noho ny hamaroan’izy ireo anefa dia nitohy ny alakamisy teo ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Fantatra ary fa samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona ireto, araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Tsiahivina fa ny talata lasa teo no nampakarina tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao,  ireto olona am-polony maro ireto rehefa nosamborina tany amin’ireo fokontany manodidina teny Andranomanelatra, mba hanaovana fanadihadiana tao amin’ny tobin’ny zandary. Saika raikitra mihitsy tamin’izany ny sakoroka tao Andranomadio, Antsirabe noho tsy faneken’ireo andian’olona marobe, fianakaviana sy mpiray tanàna nanaraka ireto voarohirohy, ny fisamborana ireto havany. Voalazan’izy ireo mantsy fa tsy misy hidiran’ireto olona 30 mianadahy ireto iny fanafihana niharo fanolanana ny tobin-dry masera tao Andranomanelatra iny. Voatery notapahina mihitsy ny lalana tao an-toerana ary niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo. Nilamina ihany izany nony farany ary izao nitohy teny anivon’ny Fampanoavana izao ny raharaha. Marihana fa mbola maromaro ihany ireo entana voaroba sy vola tsy hita nandritra iny fanafihana iny, araka ny fampitam-baovao tany an-toerana hatrany. Araka izany dia mbola mety tsy hijanona amin’izao famonjàna vonjimaika ireto olona am-polony maro ireto izao ny fanadihadiana mahakasika iny raharaha iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici