- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana sy vono olona : Lehiben’ny jiolahy efatra saron’ny zandary teny Itaosy

Fanafihana sy vono olona : Lehiben’ny jiolahy efatra saron’ny zandary teny Itaosy

Namaivay tokoa ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny, ny faramparany sy ny voalohan’ny taona teo ho eo. Nifandimby tamin’izany ny fanafihana mitam-piadiana sy vono olona. Hatreto dia lehiben’ny jiolahy efatra izay fantatra fa isan’ireo tompon’antoka tamin’izany fanafihana miharo vono olona izany no voasambotry ny zandary tetsy amin’ny tobim-paritra Itaosy, niaraka nisalahy tamin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Itasy. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia nifanesy tokoa ireo fanafihana.  « Ny iray dia izay niseho teny Antanetibe Ambohidrapeto, ny 18 desambra teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30 minitra hariva. Nahaverezana vola Ar 2.6000.000 izany ary jiolahy  6 nitondra  Kalacknikov no nanatanteraka izany. Efa-dahy indray no nanao ny fanafihana nitondra Kalacknikov toa io ihany ny 23 desambra 2017 tao Andohatanjona tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ka nandratrana olona 2 sy namoizana ain’olona iray ary nahverezana vola Ar 300.000 teo amin’ireo niharam-boina tamin’izany » hoy ny fampitam-baovao. Nanomboka teo ny fikarohana lalina nataon’ireo zandary misahana iny faritra iny. Fa tany amin’iny faritra Itasy iny ihany koa dia fanafihana nitovy endrika tamin’ireo niseho tetsy Itaosy, antony niaraha-niasa tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany amin’izany faritra izany.  « Marika iray ihany ny vodim-bala hitan’ireo mpanao famotorana tamin’ireo fanafihana miseho rehetra » hoy hatrany ny tatitra tonga taty aminay. Nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra tany Itasy. Ilehio indray avy eo no nanoro ny namany, izay mipetraka eny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Mpivaro-kena eny an-toerana ireto namany ireto, izay tsy nanam-po na inona na inona ny figadonan’ny zandary tao aminy, ny herinandro lasa teo. Mbola nahita lalana niporitsahana ny roa tamin’izany saingy noho ny paik’ady matotra napetraka dia tsy ela dia voasambotra izy ireo. Nanantanteraka ny fanadihadiana teo ireo tany Itasy ka nampidirina an-tranomaizina vonjimaika tetsy Tsiafahy izy efa-dahy ireto. Ny sabotsy teo indray no nalaina avy tany am-ponja, nentina nanaovana fanadihadiana mahakasika ireto raharaha hanenjehana azy ireo teny Itaosy. Fantatra fa tsy ela ihany koa dia hatolotra ny Fampanoavana fanindroany izy ireo, noho izay heloka bevava hafa vitany izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici