Tsy mifaditrovana intsony ! Ambonin’ny vola sy ny firavaka lasan’izy ireo dia mbola nampiharan’ireto olon-dratsy ny filan-dratsiny ihany koa ny vehivavy roa tao amin’ny tokantrano iray notafihan’izy ireo tany Ambatomirahavavy.
Tokantrano iray tao Ankianjamalaza, ao amin’ny fokontany Andriantompoiray, no niharan’ny fanafihana nataon’ny andian-dahalo maromaro ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia niisa teo amin’ny dimilahy teo ireo olon-dratsy, izay samy nirongo fitaovam-piadiana avokoa. Nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity izy ireo. Nentin’ny tahotra ireo voatafika ka nanome izay rehetra notakian’ireo dahalo. Vola mitentina eo amin’ny roa hetsy ariary eo ho eo niaraka tamina firavaka volamena maromaro no lasan’ireo mpanafika. Tsy vitan’io moa fa mbola naoalan’izy ireo tao ihany koa ireo vehivavy roa : renim-pianakaviana iray 54 taona sy ny zanany, tovovavy 22 taona. Rehefa azon’ireo olon-dratsy moa izay notadiaviny ary afa-po tamin’ny filan-dratsiny izy ireo dia nitsoaka. Taorian’io kosa vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Fotoana fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana izay avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia sy ny savahao ny manodidina.
Araka ny vaovao azo hatrany dia nisy tovolahy iray nampiahiahy nosamborin’ny zandary. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia isan’ireo dahalo nanafika sy nanolana ireo vehivavy roa izy ary avy eny Tanjombato. Tafaporitsaka kosa araka izany ireo namany efa-dahy ary mbola eo an-dalam-pikarohana azy ireo ny zandary, izay inoana fa tsy ho ela dia ho tra-tehaka.
m.L