- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Ambohimalaza : Mpiasa an-trano sy jiolahy no niray tsikombakomba

Fanafihana tao Ambohimalaza : Mpiasa an-trano sy jiolahy no niray tsikombakomba

Voasambotra avokoa izy ireo ankehitriny ary volana maromaro vao tena hita ny nisy azy. Voafaritra tao anaty fanadihadian’ny zandarin’Ambohimalaza fa ny mpiasa an-trano no nanome hevitra ny jiolahy ny momba ny hanatontosana ny fanafihana. Raikitra ary fa natao tokoa izany ny 3 desambra 2022. Nambanana antsy ny iray trano ary norahonana ny haolana ny vehivavy raha to aka tsy omena avokoa ny vola rehetra ao an-trano. Voatery nanaraka tsy fidiny ny tompon-trano. Lasa ny vola sy ny fitaovana lafo vidy rehetra tao an-toerana. Nanao saron-tava avokoa ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary nanome hevitra izany fa olona mety mahafantatra ny ao an-trano ihany. Nanomboka teo ny fanadihadiana izay naharitra (11 volana) saingy nahitam-bokany. Voasambotra tsikelikely ireo olon-dratsy ary mbola nisy entana izay nalain’ireo aza tamin’io fanafihana io no sarona tao an-tranony. Tsy nisy afa-bela satria nalefan’ny zandary hatramin’ny farany ny fikarohana mangingina. Sarona koa ny mpiasa an-trano izay tompon’ny ketrika. Tena mbola tanora ireo olona ireo saingy efa havanana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, raha araka ny fanazavana. Isan’ny nampitsangam-bola an’Ambohimalaza sy ny manodidina ity fanafihana ity saingy mba nisioka kely ny mponina rehefa naheno fa voasambotra ny olon-dratsy.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici