- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Andakana : Olona efatra naratra mafy, iray maty voatifitra

Fanafihana tao Andakana : Olona efatra naratra mafy, iray maty voatifitra

Ny vola sy volamena ary finday no nalain’ireo jiolahy. Saika mpivarotra avokoa ireo niharam-boina.

Tokantrano miisa enina teny Andakana – Ambohidratrimo no indray notafihan’ny jiolahy mirongo basy, afak’omaly alina. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any ireo olon-dratsy no tonga tao an-tanàna. Eo amin’ny 20 lahy eo ry zareo raha ny fahitan’ireo niharam-boina azy, ka ny sasany mitondra kalachnikov, ary misy mitondra Pistolet Automatique sy sabatra. Vokany, olona efatra no naratra voatifitra, ary raim-pianakaviana iray, 63 taona kosa no namoy ny ainy voan’ny bala teo amin’ny kibony. Voalaza fa saika tranona mpivarotra avokoa ireto voatafika ireto.

« Nodakan’ireo jiolahy ny varavarana rehefa avy nihanika fefy izy ireo. Vao nitsangana saika hamoha, sady nanontany, i Dada dia tifitra avy hatrany no nataon’ireo jiolahy ka voa teo amin’ny kibony izy. Nitolefika ary tapitra ny ainy. Nalain’ireo mpanafika avokoa ny vola, ny firavaka volamena ary ny finday tao an-trano. » Hoy ny fitantaran’i José, zanaky ny maty. Mipetraka ambony rihana ireto fianakaviana ireto, ka telo mianaka izy no ao, dia izy mivady sy ny mpanampy. Ny zanany kosa mipetraka tsy lavitra eo.

Tifitra variraraka. Ny tao amin’ireo trano rehetra voatafika dia saika mitovitovy avokoa ny zavatra nalain’ireo olon-dratsy: vola sy volamena ary finday. Hatreto aloha dia tsy mbola voafaritra mazava ny fitambaran’ireo vola voaroba.

Olona iray isan’ireo naratra
Olona iray isan’ireo naratra

Raha ny fitantaran’ny olona teny an-toerana dia mody miantso vonjy sady mitsoka kiririoka ireo mpanafika, ka raha vao mivoha ny trano ka misy olona mivoaka dia sady mitifitra izy ireo no mibosesika miditra ao an-trano, ka tamin’izany no nahavoatifitra ireo olona efatra hafa. Nisy tamin’ireo maratra moa no nalefa notsaboina teny amin’ny hopitaly tao Mahitsy, fa ny iray izay tena voa mafy kosa ary mila fandidiana no nalefa eny amin’ny HJRA. Voan’ny bala tao an-damosiny izy io, ary nahazo ny tao amin’ny voany ny bala, ka nilana fandidiana maika. Atahorana mafy ny ain’ity farany, raha ny nambaran’ny fianakaviany. Voalaza fa tonga ara-potoana ihany ny zandary saingy efa tafatsoaka ireo jiolahy, ka nihazo ny tananan’Ambohibe Ankadivorikely nanafika trano hafa, ka tsy nisy voasambotra.

Isan’ny nampimenomenona ny olona sendra anay teny an-toerana ny fomba fiasan’ny zandary eny am’iny faritra iny, izay toa variana manotra fiara eny amin’ny arabe fotsiny ka mahatonga ny tsy fandriam -pahalemana izay tena mirongatra izay tsy izy. Tsy vitan ‘ny mandroba ireo mpanafika fa mahavita mamono mahafaty mihitsy ary mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny an’ny mpitandro filaminana. Nahitana taim-bala maromaro moa teny an-toerana, izay mety hanampy amin ‘ny fanadihadiana izay hatao sy ny fikarohana ireo jiolahy.

Aina R.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser