Dimy lahy hatreto no voasambotra tamin’ilay fanafihana mitam-basy nifanesy tao Andrangy. Ahiana ho tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tokantrano telo tamin’ny alin’ny sabotsy lasa teo ry zalahy ireto. Efa ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy amin’izao fotoana, fantatra anefa fa tsy mety miaiky ny fiampangana azy izy dimy lahy ireo, nanizingizina kosa ny fianakaviana iray voatafika, fa tadidiny ny endriky ny iray tamin’ireo jiolahy ary tsy nanaiky mora foana, voalaza moa fa fianakaviana akaiky azy ireo ihany ny iray tamin’ireo jiolahy. Raha tsiahivina ny zava niseho, dia tokantrano dimy no nasesin’ny jiolahy notafihana ny alin’ny sabotsy teo, tao Andrangy. Jiolahy manodidina ny folo no nanafika, ka ny roa tamin’izy ireo nitondra kalaky roa. Tsy nitsitsy ireo jioalahy, fa avy hatrany dia nitifitra ka nandratra raim-pianakaviana iray, tokantrano iray tamin’ireo telo no tena voa mafy tokoa. Vola 5 hetsy, finday sy kojakoja tokantrano miampy kavina sy peratra volamena no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ny tokantrano fahatelo voatafika no tena voa mafy indrindra, tsy nahita afatsy 7000 ariary tao amin’io anefa ireo jiolahy, ka nanapoaka basy, nambaran’ny niharam-boina fa in’efatra no nipoaka ny basy, ka ny bala iray niantefa tany amin’ny foto-pen’ilay rangahy. Nifamaly ireo jiolahy nony avy eo, fa tsy nifanarahana ny fitifirana, nisy tamin’ireo olon-dratsy mihitsy aza no nanampy ilay ramatoa nitsabo namehy ny rà tsy hivoaka be ary nibaiko ny hitondrana ilay rangahy any amin’ny hopitaly. Nipetraka teo ny ahiahin’ny fianakaviana fa olona mahafantatra tsara azy ireo ary tsy lavitra no nanao ny fanafihana.
Andry N.