- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Befandriana Avaratra : Namoy ny ainy ihany koa ilay Lehiben’ny zandary

Fanafihana tao Befandriana Avaratra : Namoy ny ainy ihany koa ilay Lehiben’ny zandary

Rehefa nezahiana nialàna nenina tao anatin’ny andro maromaro dia fantatra fa namoy ny ainy ihany koa ilay Kaomandin’ny tobi-paritra ao Befandriana Avaratra, voatifitra nandritra ilay fanafihana nitranga tany an-toerana ny faramparan’ny volana lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia omaly tamin’ny 12 ora sy sasany izy no nindaosin’ny fahafatesana, rehefa notsaboina tao amin’ny hôpitaly miaramila tetsy Soavinandriana. Marihana fa alatsinainy lasa teo no namoy ny ainy ilay Ben’ny tananan’i Belalona, izay niara-voatifitra sy naratra mafy, niaraka tamin’ity zandary ity tany an-toerana, nandritra izany fanafihana mitam-piadiana izany. Izy anankiroa ireto moa dia samy nezahina novonjena tamin’ny alalan’ny angidimby avokoa, niala tany Befandriana ary nampiakarina teto an-drenivohitra.

Raha tsiahiviana ny zava-nisy : ny alin’ny 29 jolay lasa teo, tokantranona mpandraharaha sinoa iray tao Befandriana Avaratra no niharan’ny fanafihana nataona andian-jiolahy maromaro mitam-piadiana. Nandray ny andraikiny avy hatrany zandary tany an-toerana ary raikitra ny fifampitifirana. Voan’ny balan’ireo olon-dratsy tamin’io ary naratra mafy tokoa ilay olom-boafidy sy ny Lehiben’ny zandary tany an-toerana. Rehefa nomena fitsaboana haingana tany an-toerana ireo naratra dia nampiakarina taty an-drenivohitra saingy izao tsy tana izao moa ny ain’izy ireo, andro maromaro taty aoriana. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana kosa dia nisy jiolahy iray maty voatifitra ary tafaporitsaka ny namany sasany, niaraka tamin’ny vola mitentina eo amin’ny 60 tapitrisa ariary teo ho eo. Ny voalohandohan’ny herinandro teo moa no nisy iray tamin’ireo olon-dratsy, tompon’antoka mivantana tamin’io fanafihana io no voasambotry ny zandary. Ary fantatra fa enin-dahy izy ireo no nanao ny fanafihana. Efatra izany sisa izy ireo no mbola miriaria eny anivon’ny fiaraha-monina any ary karohina fatratra amin’izao fotoana io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici