- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Mahajanga : Vazaha sy mpiandry fonja no atidoha mikotrika

Fanafihana tao Mahajanga : Vazaha sy mpiandry fonja no atidoha mikotrika

Miandry ny fanomezana alàlana avy aty amin’nyminisiteran’ny Fitsarana sisa dia hatao ny fanolorana ny Fampanoavana ireo olona dimy voasambotra rehefa voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana, izay nahafatesana olona roa, tao Mahajanga be, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny anton’izany dia satria misy mpiandry fonja ny iray amin’ireo jiolahy, raha araka ny fampitam-baovaon’ny mpitandro ny filaminana. Toy ny mpitandro ny filaminana rehetra ihany dia misy ny fomban’ady tsy maintsy arahina amin’ny fitsarana sy fisamborana azy. Tany Maevantanana izy ireo no voasambotry ny zandary rehefa narahana avy any Mahajanga. Raha tsiahivina dia toerana fanakalozana vola vahiny no notafihan’ireo jiolahy ka nahafaty ny lehilahy iray 70 taona, izay tao anatiny. Rehefa vita ny fanafihan’ireo dia mbola nanapoaka basy ihany nandritra ny fitsoahany. Teo indray no nahafaty ilay rangahy mpitarika posy iray sendra nandalo. Rehefa fantatry ny havan’ny iray tamin’ireo namoy ny ainy fa  voasambotra ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona sy fanafihana ity, dia nizotra teny amin’ny biraon’ny zandary izy ireo ka nangataka ny hamoahana ireo olona mba hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky izany ny zandary ary tonga teny an-toerana ihany koa ny minisitra iray teo aloha nandamina, vao nipetraka ny olona. Mahoraka ao Mahajanga ity raharaha ity ary liana amin’ny fivoarany ny ao an-toerana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser