Taorian’ilay fanafihan-dahalo niseho tao Beakanga-Mandoto, ny alahady lasa teo, dia mbola manohy ny fikarohana sy ny fanarahan-dia ireo malaso, miaraka amin’ny omby aman-jatony ireo fokonolona, hampian’ny zandary sy ny miaramila. Mitohy araka izany ihany koa ireo karazana fifandonana, mahery vaika eo amin’ireo mpanara-dia sy ny ireo mpangalatra. Fantatra ary, araka ny fampitam-baovao azo amin’ireo mpitandro filaminana fa efa tafiaka eo amin’ny zato mahery eo ireo omby azo teny am-pelantan’ireo dahalo. Manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo mpanara-dia ary tsy manaiky lembenanana, eny fa na dia fantatra fa arifomba amin’ny fitaovam-piadiana ihany koa aza ireo malaso. Ary tsy vitan’ny fanarahan-dia ihany fa mizotra miaraka amin’izay ny fanadihadiana isan-karazany. Araka ny fanazavana azo ary, dia fantatra fa olona dimy teo no nosamborina, izay nambara fa voarohirohy amin’ity resaka asan-dahalo, izay toa miha-mahazo vahana ity indray tato ho ato izay. Sarona niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny basim-borona sy ny basy vita gasy iray. Toa ny mahazatra moa dia tsy misaraka amin’ny ody gasy ireto olon-dratsy ireto, ka isan’ny tratra teny amin’izy ireo ny moara miaraka amina ody gasy maromaro. Herinandro katroka omaly no nisian’io fanafihan-dahalo io, kanefa dia mbola mitohy hatramin’izao ny fanarahan-dia azy ireo. Mbola omby miisa eo amin’ny 60 mahery eo ho eo mantsy no mbola any am-pelan-tanan’izy ireo. Tsy manaiky mora ny fangalarana ny fananany ihany koa ireo fokonolona ka tsy manaiky raha tsy tapitra azo avokoa ireto farany, ary tapitra voasambotra ireo dahalo, izay na dia teo aza ny fifandonana sy ny filavona lefona, dia mbola maro amin’izy ireo no tafaporitsaka.
m.L