Manao tohivakana ny fanafihana mitam-piadiana amin’ny alalan’ny basy PA ao Salazamay ao. Taorian’ilay polisy maty voatifitra farany teo dia nitrangana fanafihana indray tao Salazamay avaratra ny harivan’ny alakamisy teo tokony tamin’ny 06 ora latsaka fahatelony. Tsy lavitra ny toerana fampiadiana akoho no nitrangan’ity fanafihana ity, ka rangahy iray nitondra moto no nosakanan’ireo jiolahy tsy misaron-tava roa mitondra PA.
Ireo nanatri-maso ny raharaha izay samy tsy afa-nihetsika avokoa dia nahita fa nandeha an-tongotra ireto jiolahy roa ireto. Tao anatin’izay dia voaambana basy avy hatrany ilay rangahy nitondra moto ary nasain’ireo jiolahy niala moramora teo ambony moto-ny, ka nanome izay ireo jiolahy. Lasan’ireo jiolahy ny moto ary nentin’izy ireo ara-dalàna, nefa mbola afaka niantso vonjy ilay tompon’ny moto mba nanairana ireo manodidina rehetra.
Vokatr’izany anefa dia tezitra ireto jiolahy ka nitifitra avy hatrany, ka ilay tompona moto tsy voan’ny bala, fa ilay ankizilahy kely antsoina hoe Raherinirina Sedera milalao “tablette” teo amin’ny toeram-pivarotan’ny reniny no voan’ilay bala. Ny renin’ity zaza izay mivarotra legioma teo akaikin’ilay nitrangan’ny fanafihana. Naratra mafy teo ambanin’ny heliny i Sedera kely, 13 taona sy mpianatra kilasy faha-06. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno ilay ranatra, ka ilay olona nanana fiara teo akaikin’izy ireo ihany no nitondra teny amin’ny hopitaly ity.
Mbola eny amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana ity ankizilahy ity, ary noho bala nahavoa azy dia tsy mbola afa-mihetsika ny tongony roa izay tsy ampidirana azy toeram-pandidiana. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia tsy mbola nisy tompon’andraiki-panjakana nijery izy ireo nanomboka nahavoa ny zanany hatramin’izao nanoratana ny vaovao izao. Ny zava-misy amin’izao dia ireo mpiserasera amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” no mifanentana amin’ny fanampiana an’i Sedera amin’izao fahavoazany izao, satria zanak’olona sahirana izy ary ny reniny irery no mitaiza azy fa ny rainy efa nandositra ny adidiny.
Raha ny fanazavana dia nitsoaka nihazo iny faritra Ambalamanasy iny ireo jiolahy vao nahazo ilay moto, nefa fantatra fa isan’ny toerana tena mafana amin’ny asan-jiolahy sy mpitahiry jiolahy iny Ambanamanasy iny. Tena mandry andriranantsy tanteraka ny vahoaka eto Toamasina, satria tsy misy intsony izay olona afaka amin’izao tsy filaminana izao, hatramin’ny mpitandro filaminana avy aza sahin’ireo jiolahy vonoina.
Malala Didier
Bonjour,
Pourquoi mettez-vous des articles en Français et d’autres en Malgache ? c’est un peu déconcertant et incompréhensible…Sois vous mettez tout en Malgache, sois vous ajouter une traduction en Français, ce serais plus facile…
Très cordialement.