Ny alakamisy teo no niakatra tonia mpampanoa lalana sy ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, ilay raharaha fanafihana fivarotana nitranga tao Antanambao Nosibe farany teo, izay nisiana kalaky nampanofain’ity zandary voairaka niasa hanara-maso ny lalam-pirenena faha-5 tamin’ireo andian-jiolahy niisa 8 tamin’izay, izay nandeha fiara tsy mataho-dalana nofaina manokana.
Taorian’ny famotorana nataon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, noho ny fanenjehana henjana azy ireo nataon’ny tonia mpampanoa lalàna tamin’ny fehin-teniny, azy efa-dahy nandray anjara sy mpiray tendro tamin’izao raharaha fanafihana fivarotana izao, dia samy miandry am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy izy ireo, ka isan’izany ilay zandary nampanofa ny basy kalakiny tamin’ireto andian-jiolahy ireto, izay mbola tena maratra indrindra ny teo amin’ny faritry ny lohany tamin’ny fitsaram-bahoaka, saingy efa namoahan’ny mpitsabo fa efa afaka miatrika ny famotorana azy.
Raha hiverenana ny tantaran’iny trangana finafihana tao Antanambao Nosibe lalam-pirenena faha-5 ity, dia ny alin’ny talata 20 septambra nifoha ny alarobia 21 septambra teo no nitrangany, tokony tamin’ny 9 ora alina. Vola 2.400.000 no lasan’ireto andan-jiolahy tamin’izay,ary voambana kalaky ny tao an-trano. Raha raikitra anefa ny fanarahan-dia dia tratran’ny fokonolona ny dimy lahy, ka ny roa maty avy hatrany noho fitsaram-bahoaka, naratra mafy kosa ny telo tamin’izy ireo ka isan’izany ilay zandary saika haka ilay basy kalaky nampanofainy. Ilay mpamily ny fiara 4×4 kosa raha vao nahita ny fanenjehan’ny fokonolona ireo namany dia nitsoaka ihany koa namela irery ireo namany.
Nandritra ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ny alakamsy teo dia isan’ny porofo nentin’ireo vahoaka tao Antanambao Nosibe teo anivon’izy ireo ilay kalaky tratran’izy ireo izay efa noezahan’ny zandary nalaina tamin’izy ireo saingy tsy nomeny mihitsy nandritra izany.
Malala Didier