Nirefodrefotra tahaka ireny hita amin’ny horana-tsarimihetsika ireny ny tao Ambolomadinika ambadiky ny trano fisakafohanana iray malaza eto Toamasina ny talata tolakandro tokony ho tamin’ny 04ora teo. Raha ny fanazavan’ny USI (Unité Spéciale d’Intervention) na Saka Mainty avy eto Antananarivo izay nanao ny “operation” dia efa herinandro namita iraka teto Toamasina izy ireo izao, ka telo andro teo izao no nahazoan’izy ireo ny vaovao fa hanafika mpandraharaha jirofo sendra mandalo eto Toamasina hividy entana fotsiny ireto andian-jiolahy ireto. Vokatr’izany dia efa nandrasan’ny polisin’ny USI tao an-tranon’ilay saika hotafihana sy teny akaikin’ilay toerana ireto andian-jiolahy ireo tamin’izany. Miisa fito mianadahy ireto andian-jiolahy saika hanao fanafihana mpandraharaha ireto, saingy nandritra ny fifampifirina teo amin’izy ireo sy ny polisin’ny USI dia efa-dahy no lavon’ny bala. Ny telo mianadahy kosa tafatsoaka mbola ifampitadiavana hatramin’izao. Voalazan’ny USI ihany koa fa nampiasa Tuc-Tuc na Bajaj izy ireo tamin’izao saika hanafika mpandraharaha jirofo izao, saingy vao nipoitra izy ireo dia efa nampijanona azy ny polisy. Nitifitra polisy indray ny nataon’izy ireo. Voatery namaly izany tifitra izany ny polisin’ny USI, ka izay no nahalavo ireo efa-dahy tamin’izany. Raha ny fanazavan’ny komanda lefitry ny USI tonga teto Toamasina, ny kaomisera Ratolonjanahy Mick Antonio, dia any amin’ireo telo mianadahy, vehivavy ny iray, tafatsoaka ireto ny basy telo nentin’ireto andian-jiolahy. Sambany no nahitana vehivavy ny andian-jiolahy mpanafika tahaka izao, saingy tsy atao mahagaga izany fa efa voaofana amin’izany koa ireo andriambavinilatra ireo ankehitriny. Eo am-panarahan-dia azy ireo ny polisy USI amin’izao ka ho hita ny vokany afaka fotoana fohy. Nanome toky izy ireo fa tsy maintsy ho tratra ireto jiolahy ireto, izay rahateo no iraka nampanaovina azy ireo eto Toamasina fa mafana amin’ny asan-jiolahy ny tanàna ankehitriny.
Malala Didier