- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana taxi-brousse : Hiara-kiasa akaiky ny mpitandro filaminana sy ny mpitatitra

Fanafihana taxi-brousse : Hiara-kiasa akaiky ny mpitandro filaminana sy ny mpitatitra

Manoloana ny asan-jiolahy mifanesy amin’ny lalam-pirenena eto amintsika, sy mba ho fitandroana ny fandriam-pahaleman’ny mpampiasa lalana sy ny mpitatitra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny tomponandraikitra misahana ny fitaterana an-tanety sy ny lehiben’ny mpitandro filaminana. Tapaka tamin’izany fa hiara-kiasa akaiky izy ireo amin’izany mba hahafahana mametraka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana amin’ny lalam-pirenena. Hatomboka amin’ny fisavana sy ny fanaraha-maso ny fiara eo am-piaingana eo amin’ny fihantsonana izany, ka hisy hatramin’ny fijerena ny haavon’ny entana, ny isan’ny mpandeha ary ny pitsopitsony madinidinika amin’ny fiara. Raha misy olona ahiahiana dia tsy hisalasala ihany koa ny mpitandro filaminana hisava izany. Hisy ihany koa ny fanaraha-maso tsy tapaka eny an-dalana, ary hasiana mpitandro filaminana ihany koa any anaty fiara mpitatitra. Izany rehetra izany dia mba hitsinjovana ny tombontsoa ho an’ny mpitatitra, fa indrindra indrindra ho an’ny mpandeha izay tena iharan’ny herisetra ataon’ireo jiolahy mpanakan-dalana ireny.  Antenaina araka izany fa hitondra voka-tsoa sy fandriam-pahalemana ho an’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena ity fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny mpitatitra sy ny mpitandro filaminana ity.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser