Tsy niandry ela ny valin-kafatra ! Taorian’ilay fanafihana fiara mpitatitra nitranga ny alin’ny alarobia lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Betroka iny dia niezaka nikaroka ireo olon-dratsy ny zandary tany an-toerana. Fantatra mantsy fa taorian’ilay fanafihana taxi-brousse, tao Sakoamanambadimanga, 7 km atsimon’Isoanala, dia mbola nanafika tanana tao Andaro, kaominina Isoanala indray ireo andian-jiolahy. Teny an-dalam-pitsoahana niaraka tamin’ireo omby avy nalainy tao amin’io tanana io ireto malaso ireo no nifanehitra tamin’ireo zandary, nanao hazalambo azy ireo. Velona tamin’izany ny fifandonana mahery vaika ka roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo, tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny. Iray tamin’ireo dahalo kosa no azo sambo-belona, ary mbola misy efatra hafa karohina fatratra amin’izao, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary.
Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo dia lasibatry ny asan-jiolahy ny taxi-brousse « karandal » tamin’iny lalam-pirenena faha-13 iny. Vola mahatratra hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary no very tamin’izany, niaraka tamin’ny entana maromaron’ireo mpandeha. Naratra voatifitra teo amin’ny kibony kosa ny mpamily ary efa nalefa notsaboina haingana tany amin’ny tobim-pahasalamana CSB2 Isoanala. Tetsy andanin’izay dia efa nanomboka avy hatrany ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy ireo zandary avy eo amin’ny zana-tobim-paritra Somotsoy. Tao Manitsirano, kaominina Isoanala hatrany no nifankatratra ireto andian-jiolahy izay mbola teo am-pandroahana omby avy nangalarina sy ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana ka io nahafatesana dahalo roa io. Azo kosa ireo omby avy nangalarin’izy ireo, niaraka tamin’ny olon-dratsy iray izay tsy afa-nandeha intsony rehefa voatifitra teo amin’ny tongony. Ny famotorana savaranonando natao taminy no nahafantarana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana ilay « karandal », raha ny voalazan’ny tatitra hatrany. « Nanoro ireo entana voaroba izay natobin’izy ireo tsy sazoka tamin’ny lalana mihazo an’i Vohitsevo sy Andragiragy Cr Isoanala, ary nanonona ireo namany sy ny atidoha mpikotrika sy miray tsikombakomba amin’izy ireo izay ao Isonala ihany ». Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireto.
m.L