- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana taxi-brousse : Telolahy voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ody gasy

Fanafihana taxi-brousse : Telolahy voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ody gasy

Nisesisesy indray tao ho tao izay ny fanakanan-dàlana sy fanafihana taxi-brousse amin’ireo lalam-pirenena teo amintsika. Ny farany teo, izay nahavoatifitra olona iray, dia niseho tamin’iny RN1 iny teo Soamahamanina, ny herinandro nivalona iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon’ny zandary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Andro vitsivitsy taorian’io, dia voasambotra ny telo lahy, izay voalaza fa isan’ireo nanafika tamin’io fotoana io, ary mbola nikasa ny hamerina ny asa ratsiny indray. “Ny 26 janoary 2018 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany,  dia nandre ny zandarimariam-pirenena fa misy lehilahy 4 ahiahiana ho isan’ireo mpanafika niakatra taksibrosy ny harivan’io, teny amin’ny fasan’ny karàna ka mikasa ny hanao toa an’io nataony io indray. Rehefa natao ny sakana teo Imerintsiatosika, dia nandositra avy hatrany izy 4 noahiahiana ireo raha vao nijanona ny fiara nosavan’ny zandary. Ny telo voasambotra, fa ny iray izay nahiana ho nitondra basy, nibaby sakaosy tafaporitsaka. Rehefa nosavana tsirairay ny entan’izy ireo dia nahitana antsibe avokoa. Mbola nahitana ody gasy (fonoka) ihany koa tamin’izy ireo. Rehefa naseho an’ireo olona niharan’ny fanafihana fiara ny 25 janoary moa izy ireo, avy hatrany dia voamarina fa isan’ireo nanao io fanafihana io tokoa izy telo lahy ireo” hoy ny fampitam-baovao azo.  Efa maty paika tokoa ny teti-dratsin-dry zalahy ireto, satria dia misy ireo mody manao mpandeha amin’ilay fiara, izay manome ny toromarika rehetra amin’ireo namany, izay efa miandry fotsiny amin’ny toerana hafa hanaovana ny fanafihana. Tamin’io andron’ny 25 janoary io, dia efatra izy ireo no nandray taxi-brousse mampitohy ny Renivohitra amin’i  Soavinandriana, teny amin’ny Fasan’ny karàna. Niala teo Ambatofolaka Soamahamanina izy ireo ary efa nandrasan’ireo namany izay niditra an-tsehatra avy hatrany amin’iny fanafihana. Olona telo no naratra voan’ny bala tamin’io fotoana io ary saika voaroba avokoa ireo mpandeha rehetra. Efa lasa ireto mpanafika vao afaka nampandre ny zandary ireo lasibatra, saingy tafaporitsaka iretsy voalohany. Soa ihany fa tsy niandry ela dia ireo voasambotra ireo. Mbola misy ny naman’izy ireo hafa, saingy efa an-dalam-pikarohana azy ireo ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici