Tsy niandry ela, fa ny hariva nisehoan’ilay fanafihana taxi nataona jiolahy nitam-basy, ny alarobia teo, teny Ampasika, dia efa nandray ny andraikiny ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Fanafihana nahavery volabe aman-tapitrisany maro. Raikitra ny fanenjehana, nirefodrefotra ihany koa ny basy teny amin’iny faritra Ambohijafy- Itaosy iny. Araka ny fanazavana azo mantsy, rehefa avy nanao ny asa ratsiny teo Ampasika ireo tontakely dia nitsoaka nihazo an’i Bemasoandro Itaosy iny ary nifarana tany Ambohijafy. Nanampy tamin’ny fanenjehana ihany koa ireo fokonolona ka araka ny loharanom-baovao, dia ny hamaroan’ireo olona no somary nampano sarotra ny fisamborana ireo olon-dratsy. Voatery nanao tifi-danitra mihitsy ireo mpitandro filaminana, hanajanonana ny fitsoahan’ireo olon-dratsy. Fantatra kosa fa ny fahitana ireo olona marobe nanenjika azy ireo, dia natsipiny ilay sakaosy nisy vola, izay mitentina teo amin’ny 26 tapitrisa ariary teo, raha ny fampitam-baovao tany amin’ny zandary. Tafaverina tamin’ny tompony soa aman-tsara ity volabe ity, ary tsy nisy nahabangana na ny ariary aza, araka ny fanazavana azo. Ity sakaosy nisy vola ity moa no avy hatrany dia nezahan’ ireo mpitandro filaminana nalaina, hialana sao savoritahan’ny olona. Tafaporitsaka kosa ireo olon-dratsy telo, izay nitondra basy poleta roa. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana mikasika ireto jiolahy ireto, izay inoana fa hisy valiny tsy ho ela.
m.L