Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo zandary, mahakasika ilay fanafihana nitranga teny Andoharanofotsy ny 22 desambra lasa teo. Taorian’ireo jiolahy telo maty nandritra ny fitifirana sy ilay iray voasambotra mantsy dia fantatra fa nanatanteraka fisamborana indray ireto mpitandro filaminana ireto. Ramatoa iray, monina eny amin’iny faritra 67ha iny no nanaovan’izy ireo sarika am-pandriana ny andron’ny krismasy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo zandary hatrany dia fantatra fa isan’ireo mpamatsy basy ireo jiolahy ity ramatoa efa ho 53 ity. Mbola nahatratrarana basy poleta iray sy bala miisa 13 moa tao aminy, nandritra ny fisavàna ny tranony. Nentina avy hatrany natao famotorana araka izany ity vehivavy ity. Nanamarika ireo mpitandro filaminana fa mbola mitohy hatrany ny famotorana mahakasika ity raharaha ity. Marihina fa toa ireto jiolahy ireto sy ny namany ihany no isan’ireo tompo-marika tamin’ireo fanafihana nisesisesy, tamin’ireo toerana nanodidina an’Antananarivo, anisan’izany ny teny Ambohidratrimo sy faritra Ivato iny.
m.L