- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana  teny Anosipatrana : Vehivavy iray vao tera-bao no mpamatsy basy

Fanafihana  teny Anosipatrana : Vehivavy iray vao tera-bao no mpamatsy basy

Ny vadiny dia efa nigadra noho izay resaka fitazomana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, firaisana tsikombakomba sy famatsiana basy ny jiolahy izay. Tsy nisalasala ihany koa ny anao vavy nanohy ny asa ratsin-drangahy taty aoriana. Voalaza moa fa isan’ireo namatsy basy ireo olon-dratsy, nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosipatrana ity renim-pianakaviana ity.

Taorian’ilay fanafihana nitranga teny an-toerana ka nahaverezana vola mitenina 36 tapitrisa ariary, ny herinandro teo iny tokoa dia haingana be ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy. Zandary iray, izay isan’ireo nandray anjara moa no maty voatifitra ny andron’ny fanafihana, raha an-dalana handeha hitsoaka teny amin’iny faritra Fasan’ny karana iny. Ora vitsy taorian’io dia azo sambo-belona ny naman’ity voatifitra ity, izay mpitandro filaminana ihany koa, polisy efa voaroaka tamin’ny asany, hoy ny fanazavàna azo teo anivon’ny polisim-pirenena ary lehilahy iray hafa. Marihana fa tratra tany amin’izy roa lahy ireto ny sakaosy iray mbola feno vola taratasy ary basy poleta iray niaraka tamin’ny bala. Nentina natao famotorana teny Anosy avy hatrany izy roa lahy ireto ka tamin’izay indray no nahafantarana ilay renim-pianakaviana, izay namatsy ny basin’izy ireo. Notongavana avy hatrany teny Itaosy ity farany, raha ny vaovao azo, saingy tsy tratra tao an-trano fa nitondra ny zanany kely natao vaksiny. Hay ka, mbola vao teraka sahabo ho andro vitsy lasa izay. Voasambotra ihany moa ity farany rehefa niverina avy any.

Marihana fa ny voalohan’ny herinandro teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto andian-jiolahy ireto ka fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa, miandry ny fotoam-pitsaràna azy araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Ilay renim-pianakaviana moa nalefa eny Antanimora, raha navantana avy hatrany eny Tsiafahy kosa ireo roa lahy, ilay polisy voaroaka sy ilay namany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici