- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teny Isoraka : Telolahy voasambotry ny pôlisy

Fanafihana teny Isoraka : Telolahy voasambotry ny pôlisy

Taorian’ilay fanafihana nahafatesana ramatoa iray, nitranga tetsy Isoraka, an-tampon’Ambodifiakara, ny herinandro lasa teo iny dia fantatra fa nisy olona telo nosamborin’ny pôlisy, iray andro taorian’izany. Raha ny zava-niseho : « mpivady iray tompona tranom-barotra mpambongady eto an-drenivohitra no notafihin’ny jiolahy nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Novakian’ ireo jiolahy ny fitaratry ny fiara, ary nosintonin’izy ireo ny kitapo nisy ny vola « versement » nitentina 10.000.000 ariary . Notifirin’izy ireo ilay vehivavy nitrotro ilay zanany ka voa teo amin’ny kibony ary lasa nandositra izy ireo taorian’izay ». Nindaosin’ny fahafatesana taorian’izay moa io ramatoa io. Ny ampitson’io, « raha mbola teo am-pikarakarana ny razana no nisy lehilahy iray nanatona ny vadin’ny maty ary nitonona ho mpanao gazety ». Fantatr’ilay niharam-boina tampoka anefa ity farany fa isan’ireo olon-dratsy nanafika azy ka noraisim-potsiny teo rehefa niantsoana pôlisy. « Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny helony ity voasambotra ary nanondro ny namany miisa roa» hoy ny vaovao azo.  Marihana hoy ny vaovao fa mpiasa tao amin’izy mivady ireto ihany ny iray tamin’ireo mpanafika, ary mbola misy olona roa, naman’ireo jiolahy karohina fatratra amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici