- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teo Ankorondrano : Olona efatra nosamborina, vehivavy ny roa

Fanafihana teo Ankorondrano : Olona efatra nosamborina, vehivavy ny roa

Mpanampy vehivavy  tao amin’ilay tokantrano ihany ny iray tamin’ireo voarohirohy tamin’ity fanafihana ity ary vehivavy iray voalaza fa hitady asa ihany koa ny iray. Ireo lehilahy sisa ambiny dia olom-patatr’ireto vehivavy ireto avokoa ary voalaza fa efa samy voarohirohy tamina resaka fanafihana avokoa. An-kevitry ny efa voaomana tanteraka ity fanafihana nitranga tao amin’ny Village de jeux Ankorondrano ity, izay niseho ny alin’ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao tamin’ny polisim-pirenena dia nanao amboletra niditra tao amina trano lehibe iray ireo andian-jiolahy, izay toa efa nahafantatra tsara ny efitra sy ny drafitry ny trano. Lasa tamin’izany araka ny fanazava azo hatrany ny vola sy ny firavaka sarobidy rehetra tao amin’ity tokantrano ity. Azon’izy ireo izay nilainy dia nilainy dia nirifatra nitsoaka. Nametraka fitoriana avy hatrany tamin’ny polisy moa ireo niharam-boina. Ny ampitson’io ihany dia nosamborina ny mpanampy tao an-trano izay noahiahiana tanteraka, torak’izany koa ny vehivavy iray izay nampidirin’ity farany tao an-trano fa hoe hitady asa. Tamin’ny fanadihadiana ireto farany no nahafantarana fa olom-patatr’izy ireo no nanao ny fanafihana. Ny iray tamin’ireo aza dia tsy iza fa vadin’ilay ramatoa hitady asa, izay efa jiolahy raindahiny, voarohirohy ihany koa tamina resaka fanafihana teny Ivandry. Mbola mitohy moa hatreto ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici