- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teto Toamasina : Mpitondra moto « cygnus » iray lasibatra…

Fanafihana teto Toamasina : Mpitondra moto « cygnus » iray lasibatra…

Tsy mifidy asiana intsony ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina, fa izay tratran’izy ireo mandraingiraingy avokoa. Omaly maraina tokony tamin’ny 08ora sy sasany izao dia ramatoa nitondra moto « cygnus » notafihana roa lahy nitondra basy PA teo amin’ny lalana mihazo ny kaominina « suburbaine » Toamasina iny.

Tsy nisy alaharo fa nasain’izy ireo niala ilay moto ilay ramatoa nitondra azy, dia nentin’ireo jiolahy roa nanao taingin-droa ilay moto. Lalana mivoaka any Andranomadio mandalo ity kaominina « suburbaine » Toamasina ity lalan’ireo jiolahy izay sady mbola nandraranga basy PA ihany koa nandritra izany. Samy tsy nisy taitra ny manodidina nahita ilay tranga, fa efa lasa ireo jiolahy vao samy mody nikaroka sy nanara-dia ireo nahita izany. Tsy maty tsy nisy naratra nandritra izao fanafihana mitam-piadiana izao, na nitondra basy PA aza ireo jiolahy roa nanao izany, ny tahotra no tena betsaka tamin’ilay ramatoa tratra izany.

Ankoatra izany dia tranga hain-trano naha-traboina olona 24 ary nahamay trano semi-dur roa no nitranga tao Ambalakisoa P/elle 21/61, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 12ora latsaka fahatelony atoandro. Manodidina ny 94 tapitrisa ariary teo ny teti-bidiny zavatra may nandritra izany. Voalaza moa fa noho ny fifampikasoan’ny herinaratra no nahatonga ny firehetana araka ny fanazavan’ireo may trano. Ireo mpiara-monina ihany no nifanampy tamin’ny famonoana ny afo araka ny fanazavan’ny fokonolona.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici