- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tetsy Ambohidrapeto : Nidoboka eny Tsiafahy ny iray amin’ireo jiolahy

Fanafihana tetsy Ambohidrapeto : Nidoboka eny Tsiafahy ny iray amin’ireo jiolahy

Notaterin’ny gazety maro ny fisian’ny fifampitifirana tetsy Ambohidrapeto rehefa nifanenjehana ny jiolahy izay avy nanao fanafihana mitam-piadiana. Voasambotra ny iray tamin’ireo dimy lahy tompon’antoka ary izany dia avy amin’ny alàlan’ny findainy, izay latsaka nandritra ny fitsoahany. Nofandrihan’ny zandary ary voasambotra tetsy Alakamisin’Ambohidratrimo ilay jiolahy. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny talata lasa teo ary nidoboka am-ponja vonjimaika ilay io. Raha tsiahivina dia tokantrano telo no nasesin’izy sy ny namany. Vetivety dia tonga ny zandary ary tsy noeritreretin’izy ireo izany. Sendra nanao fisafoana teny amin’ny Cité-Itaosy mantsy ireo mpitandro ny filaminana ary niakatra avy hatrany teny Ambohidrapeto raha vao naheno ny antso vonjy an-telefaonina. Rehefa tonga teo an-toerana dia mbola raikitra ny fifamaliana tamin’ny tifitra. Nikoropaka koa ireo jiolahy nanavotra ny ainy ary teo no nahalatsaka ny finday iray izay nanampy betsaka tamin’ny fahafantarana azy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici