- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tetsy Ambolonkandrina : Olona roa voatondro ho isan’ny mpanafika nosamborin’ny pôlisy

Fanafihana tetsy Ambolonkandrina : Olona roa voatondro ho isan’ny mpanafika nosamborin’ny pôlisy

Tsy niandry ela tokoa, fa sabotsy lasa teo, izany hoe ora vitsy taorian’ny fanafihana nitranga tetsy Ambolokandrina, dia efa niroso sahady tamin’ny fisamborana olona ny pôlisy misahana iny faritra iny, raha ny loharanom-baovao akaiky an’ireo mpitandro filaminana. Fantatra ary fa olona roa, voarohirohy ho isan’ireo mpanafika, izany hoe mety ho naman’ireo 15 lahy, nandroba tamin’iny fotoana iny no nosamborina teny Ankadindratombo, ny sabotsy tokony ho tamin’ny dimy ora hariva  teo. Teny am-pilalaovana baolina lavalava mihitsy ireto roalahy ireto no nalain’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana natao fanadihadiana avy eo nafindra teny Anosy. Marihina moa fa mety ho mora fantatra ihany ny sasany tamin’ireto mpanafika ireto, satria nisy tamin’izy ireo no tsy nisaron-tava akory. Ary mety ho anisan’izany ireto roalahy ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, raha ity loharanom-baovao ity hatrany dia toa hoe niaiky izy roalahy ireto fa isan’ireo nanafika tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa ohatra ny hoe izy ireto ihany, niaraka tamin’ny namany hafa no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana niseho teny Avaratr’Ankatso, volana vitsy lasa izay, ka namoizan’ilay mpitsabo mamim-bahoaka teny an-toerana ny ainy. Na izany anefa na tsy izany, dia marihina fa mbola manohy ny fanadihadiana hatrany ireo mpitandro filaminana ary mitohy ny fikarohana ireo 13 lahy namany hafa, – dia mbola niampy 15 hafa indray, taorian’ilay fanafihana nahafaty olona tetsy Andrefan’i Mananjara afak’omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser