- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana tetsy Anosibe : Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany

Fanafihana tetsy Anosibe : Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany

Matetika no itrangana fanafihana mitam-piadiana ety amin’ity faritra ity (sary tahiry)
Matetika no itrangana fanafihana mitam-piadiana ety amin’ity faritra ity (sary tahiry)

Misaron-tava ary mitondra basy ny iray tamin’ireo jiolahy.

Olona iray voatifitra teo amin’ny lohany ary vola 8 tapitrisa, finday, ordinateur portable sy fitaovana lafovidy maro samihafa voaroba. Io no vokatry ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tetsy Anosibe, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Voalaza fa tokony ho tamin’ny misasakalina mahery kely tany ho any no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ny jiolahy miisa dimy. Ny roa tamin’izy ireo mitondra sabatra, ny iray misaron-tava ary mitondra basy. Avy hatrany dia noteren’izy ireo hamoaka ny vola tao an-trano ny tompon-trano. Nisy anefa ny fifamaliana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka tsy nisalasala ireo jiolahy nitifitra. Voatifitra teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana, 61 taona. Naratra mafy izy vokatr’izany saingy mbola nahatsiaro tena tsara. Nihorohoro vokatr’izany ny tao an-trano ka dia nanaiky izay baiko rehetra notenenin’ireo mpanafika. Fantatra moa fa mpivarotra voatavo eny Anosibe ity voatifitra ity. Vola 8 tapitrisa no norobain’ireo jiolahy tao an-trano. niampy finday miisa dimy, play station, ordinateur portable iray, ary amplificateur. Vao nahazo ireo entana lafovidy sy vola ireo olon-dratsy dia lasa nandositra avy hatrany.

Na dia teo aza ny ratra mafy nahazo ilay mpivarotra dia mbola avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Nentina avy hatrany notsaboina teny amin’ny HJRA moa izy raha vao afaka niantso vonjy ny tao an-trano. ny polisy avy ao amin’ny commissariat ao amin’ny boriboritany faha-4 no misahana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Aina R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser