- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tetsy Anosipatrana : Polisy taloha nosamborina, naman’ilay zandary maty

Fanafihana tetsy Anosipatrana : Polisy taloha nosamborina, naman’ilay zandary maty

Ny alarobia teo ihany, dia efa nisy ny fisamborana, izany dia momba ilay fanafihana olona tao anaty fiara tetsy Anosipatrana, ka nahazoan’ireo jiolahy 36 tapitrisa ariary. Tamin’io, raha hiverenana kely, no lavo ny zandary iray izay nisandoka ho polisy ka anisan’ny nanatontosa ny fanafihana. Rehefa nitohy ny fanadihadiana, dia nosamborina koa ny lehilahy iray izay niray tsikombakomba taminy. Polisy efa nesorina tamin’ny asany izy io noho ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tamin’ny fivarotan-tsolika iray tetsy Ampefiloha. Sarona teny aminy ny poleta iray sy bala enina ary nogiazana koa ny fiara peugeot 309 sy scooter izay nampiasain’ireo tamin’ny fanafihana. Mbola nisy vola koa teny aminy ary mbola notazonina ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny tetin’izany. Mpitandro ny filaminana roa izany avy amin’ny vondrona roa samy hafa no nanafika. Mitarika amin’ny ratsy ny fihibohana ho an’ny sasany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici