- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tranombarotra tetsy Andavamamba : Efa-dahy tamin’ireo jiolahy voasambotra

Fanafihana tranombarotra tetsy Andavamamba : Efa-dahy tamin’ireo jiolahy voasambotra

Tsy misy marina izay tsy hipoitra tokoa ! Herinandro taorian’ilay fanafihana antoandro be nanahary tetsy Anatihazo, Andavamamba, dia fantatra fa voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny efa-dahy tamin’ireo mpanafika, teny amin’iny faritra Andavamamba iny. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia fantatra fa efa raindahiny tanteraka amin’ny fanafihana mitam-piadiana miharo vono olona sy fanolanana ireo olon-dratsy ireto. Faritra maro eto an-drenivohitra no hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny amin’izany dia eny Andranobevava, Andavamamba, Ambohipo, Tsiadana, Namontana, Anosibe, ary Andohaniato. Ary efa nisy didy fampisamborana navoakan’ny fitsaràna tamin’ireo olon-dratsy ireto, mahakasika fanafihana nitranga teny Isotry, Androndra kely ary Ambohipo. Taorian’ilay fanafihana nitranga iny no nanao savahao ny manodidina avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany no nahatsikaritra olona maromaro mampiahiahy izy ireo, ka nanao ny fitsongoan-dia avy hatrany. Ny alin’ny sabotsy tamin’io fotoana io dia “nandeha nirevy teny Ambohipo. Rehefa natao ny fanadihadiana teny an-toerana dia nahalany vola be tokoa ry zalahy tamin’izany ary izay olona rehetra tonga tao dia nampireveny avokoa”. Ny ampitson’io, ny alahady dia fantatra fa mbola nikasa sy nikononkonona fanafihana teny amin’iny faritra Cenam, Andavamamba iny indray ireto andian-jiolahy ireto. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana ka telolahy tamin’izy ireo no voasambotra. Mbola nahitàna rongony sy sabatra lava lela iray fentin’izy ireo manafika moa tany amin’ireo telolahy ireto. Nentina natao famotorana avy hatrany ireto farany ka tamin’izay indray no nanoroan’izy ireo ny namany, izay voasambotra teny Andohaniato, ny alatsinainy maraina. Marihana fa mbola misy tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo. Manao andiany maromaro foana ireto olon-dratsy ireto rehefa manao ny asa ratsiny, raha ny fanazavàna azo hatrany ka basy sy sabatra no fitaovam-piadiana entiny. Omaly moa ireto andian-jiolahy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Ary mbola mitohy ny fikarohana ireto namany hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici