Anisan’ny iray mampirongatra ny asan-jiolahy ny fisian’ireo olona mpandray entana halatra. Isan’izany ity lehilahy iray voasambotry ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava teny Anosy. Fiara tsy mataho-dalana iray no voalaza fa novidiany mora tany amin’ireo olon-dratsy, izay nandroba tranon’ny teratany vahiny iray. Efa teo an-dalam-panovàna izany fiara izany ho tsy fantatry ny tompony intsony ny lehilahy izao tra-tehaka izao, ny alarobia lasa teo. « Raha tsiahivina dia tranona teratany sinoa iray, teny Ivato no nisy nanafika ny volana desambra 2018, ka fiara tsy mataho-dalana iray sy finday ary vola no lasan’ireo jiolahy tamin’izany», hoy ny fampitam-baovao. « Efa nisy ny fanadihadiana natao ka lehilahy miisa enina, nahitana mpitandro filaminana iray, no voasambotra ary efa nidoboka eny am-ponja ». Nilaza moa ireto olon-dratsy ireto fa namidiny tamin’ny lehilahy iray efa mpividy izay môtô sy fiara halatra azon’izy ireo ilay fiara, tamin’ny vidiny folo tapitrisa ariary. Nanomboka teo indray ny fikarohana ity mpividy halatra sy mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy ity Ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany no tra-tehaka ilay ranamana, rehefa nanaovana vela-pandrika. « Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa nividy ilay fiara tamin’ireo olon-dratsy ireo ary nanoro ny toerana nanafenany izany fiara izany», hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisy. Trano fandraisam-bahiny iray teny amin’iny faritra Mandroseza iny no nahitàna ilay fiara ary maro ireo fanovàna efa natao taminy mba tsy hamantarana ny maha-halatra ilay fiara. Saingy noho ny fitsirihana sy ny fizahana lalina dia tratra ihany ny nafenina ary voamarina fa ilay fiarana vahiny ilay izy. Atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela moa ity ranamana ity ary ilay fiara kosa dia haverina amin’ny tompony rehefa vita ny fanadihadiana rehetra, hoy ny fanazavàna azo.
m.L