Nanao sesilany ny olon-dratsy tamin’ny fanafihana “villa” raha vao nanomboka ny taona. Ny alakamisy teo, raha araka ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana, dia trano dimy no indray nasesin’ireo mpanafika tetsy Andoharanofotsy. Misy ny miambina ety ivelany ary ny ambiny kosa misaoty tamboho sy manafika ny tao an-trano avy hatrany. Tsy tontosa anefa izany satria nisy “alarme” avokoa ireo trano izay natao lasibatra. Taitra ny olona ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Toa tsy nampihemotra loatra ireo jiolahy izany. Niova trano fotsiny indray izy ireo ary nanohy ny asaratsiny ihany. Teo dia mbola nisy fanairana ihany tao amin’ilay trano faharoa. Nanomboka nitsoaka tsikelikely ireo mpanafika vokatr’izany. Efa nanomboka tonga rahateo ny mpitandro ny filaminana ka nanao ny fisafoana ny teo amin’ny manodidina. Raha noheverina fa nampihemotra ireo mpangalatra amin’izany,ny toe-javatra toy izany dia ny nifanohitra tamn’izaykosa no nitranga. Niverina teo amin’ny manodidina indray mantsy ireo olon-dratsy izay heverina fa mitovy ary nitety trano telo hafa, “villa” avokoa. Nampaneno kiririoka ny olona ary niverina niantso mpitandro ny filaminana. Efa niha-naraina rahateo ny andro ka teo vao tena tsy tontosa intsony ny asan-jiolahy. Raha ny fihevitry ny mpandinika momba ny heloka bevava mifandraika amin’ny fanafihana mitam-piadiana dia ny hofan’ny basy izay tsy maintsy aloa no mahatonga ireo jiolahy manao vy verin’ny ainy toa izao. Hofaina ny basy ary isaky ny bala mipoaka dia haloa vola ihany koa. Izay no mahatonga azy ireo mitety trano ,satria mody maina ary mety miala vola am-paosy aza raha tsy voaefa ny hofan’ireo fitaovam-piadiana. Dikan’izany, misy karazan’olona mipetra-potsiny any ho any dia mitango hofan’ny basy avy eo. Iza ireo olona ireo? Heverina mba hifantoka bebe kokoa amin’izany ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra…
D.R