Lalam-pirenena voalohany, faha-34, faha-44, … sy ny maro hafa. Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia tsy latsaky ny dimy ireo fiara voasakan’ny jiolahy teny amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika. Tany Tsiroanomandidy, tany Miandrivazo, tany Vohidiala. Olona enina teo no naratra mafy vokatr’izany. Tao ireo voatifitra ary tao ireo voadaroka. Nahatratra hatrany amin’ny dimy tapitrisa ariary tany ho any kosa no totalim-bidin’ireo entana very niaraka tamin’ny vola. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany dia ny teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny no tena nahazoan’ireo olon-dratsy volabe. Teo amin’ny tetezan’i Sakay, ao amin’ny kaomina Ankadinondry, any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny, ny sabotsy alina lasa teo. Nanodidina ny 15 lahy teo ireo olon-dratsy izay samy nitondra basim-borona sy basy vita gasy, nanakana tamin’ny vatobe. Fiara telo no indray lasibatra tamin’io fotoana io : taxi-brousse ny roa ary fiarabe ny iray. Izy ireo dia samy hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra avokoa. Tsy afaka nanao na inona na inona intsony ireto fiara rehefa sendra ity tampoka ity. Avy hatrany ihany koa moa dia nohodidinin’ireto olon-dratsy ireto. Novakian’izy ireo ny fitaratr’ireo fiara ireo, ary nasainy nidina ny mpandeha, nampandohalihana, norahonana ary nodarohana avy eo. Tsy nisalasala ihany koa ireto olon-dratsy nitifitra ilay mpamily an’ilay taxi-brousse iray, tafatsoaka kosa ilay mpamily faharoa. Fiara tsy mataho-dalana iray saika hiditra teo amin’io tetezana io no sendra nahatsikaritra ny zava-niseho ka niverin-dalana, nampandre ireo fiara hafa tany aoriana. Ireto farany no nampandre haingana ny zandary teny Ankadinondry, izay nidina haingana teny an-toerana. Tao anatin’izay kosa, angamba efa mailo ireo jiolahy ka nanafaingana ny asa ratsiny ary nandositra avy hatrany. Efa nadio tanteraka ny rano nitàn’izy ireo nony tonga teny ireo mpitandro filaminana, eny fa na dia minitra fohy taorian’ny nisian’ny fanafihana aza ny nahatongavan’izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa moa ireo naratra. Fa ambonin’izay, fiara tsy mataho-dalana iray ihany koa no voatafika teo Miandrivazo raha handeha hitodi-doha hiakatra. Fantatra fa miendrika mpitandro filaminana ireto olon-dratsy. Milanja basy, manao fanamiana ary toy ireo manao “PR” ireny. Naratra voadaroka avokoa ireo mpandeha efatra tao anatin’ity fiara ity, raha ny filazan’ny mpandeha iray. Lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny vola rehetra tany amin’izy ireo. Fa trangam-panafihana iray ihany no niseho tao Vohidihala, tamin’iny lalam-pirenena faha-44 iny ny alahady alina hifoha alatsinainy teo. Tafatsoaka soa aman-tsara ihany ity fiara raha ny fantatra, eny fa na dia teo aza ny tifitra variraraka nataon’ireo jiolahy.
m.L