Tao ho ao izay ,dia miverina mirongatra indray ny tsy fandriampahalemana sy fanakanan-dalana eny amin’ireny lalam-pirenena ireny, indrindra moa fa hoe somary efa ratsy ilay izy. Ireto mpitatitra no tena lasibatra amin’izany. Teo anatrehan’izany indrindra ary dia nisy ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Astram, na ny fikambanan’ireo mpitatitra eto Madagasikara sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Paza Didier, omaly, teny amin’ny birao fiasàny. Nodinihina manokana ity resaka tsy fandriampahalemana eny an-dalana ity. Tapaka ary, raha ny vaovao voaray, fa hisy ny fepetra manokana horaisin’ny avy ao amin’ny zandarimaria ny mahakasika ny fiarovana ireto mpitatitra ireto. Hanombohana izany ny lalam-pirenana faha-7 iny, Ambohimahasoa hatrany Fianarantsoa; izay tena mampikaika ny rehetra mihitsy. Fantatra ihany koa fa misy ny baiko nomena ireo vondron-tobim-pileovan’ny zandary any amin’ireo faritra voasokajy ho fairtra mena ny mba handraisan’izy ireo fepetra manokana hiarovana ireo fiara mpitatitra. Raha ny mikasika ny lozam-pifamoivoizana indray, dia fantatra fa manomboka izao dia hihatra ny fijerena ifotony ireo fiara, eo am-piaingana, any am-pandehanana sy any am-pahatongavana. Fa amin’ny lafiny iray, isan’ny mampitaraina ireo mpitatitra ihany koa ny fisian’ireo mpitandro filaminana “maka ekôlazy” eny an-dalana. Ho hentitra ny avy aty amin’ny fibaikona, raha ny vaovao hatrany. “Tsy tokony hanome ireo mpitatitra ary tsy mahazo mandray ny zandary”. Afaka mampilaza avy hatrany aty amin’ny tompon’andraikitra ireto izay mbola mahita izany endrika kolikoly izany. Tsy hijanona hatreo ity fifampiraharahana eo amin’ireo mpitatitra sy ny tompon’andraikitry ny filaminana ity, raha ny fantatra hatrany. Mbola hihaona amin’ireto tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, ahitana ny ministry ny fitaterana, ny pôlisy, ny zandary ary ny minisitry ny asam-panjakana, ireto solontenan’ny Astram ireto amin’iny herinandro iny.
m.L