- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanakanan-dalana tao Ankazobe : Valo tamin’ireo jiolahy no voasambotry ny zandary hatreto

Fanakanan-dalana tao Ankazobe : Valo tamin’ireo jiolahy no voasambotry ny zandary hatreto

Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ireo zandary, ireo ireo olon-dratsy isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay fanafihana taxi-brousse tetsy Ankazobe tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny sabotsy lasa teo. Tafakatra valo hatreto no fantatra fa voasambotra tamin’ity raharaha ity.

Fitaovam-piadiana maro isan-karazany no tra-tehaka tany amin’ireo olon-dratsy ireto raha ny fanazavàna azo. Ambonin’ireo ihany kao dia fantatra fa mbola nisy ody gasy maromaro tany amin’izy ireo. Tamin’iny fotoana iny dia efa nisy tamin’ireo mpanakana ihany no voasambotra, ary niampy iray indray izany fotoana fohy tato aoriana. Ireo mpandeha tao amin’ireo fiara fitateram-bahoaka voatafika ihany moa no nahafahana nahalala ny endrik’izy ireo, raha mbola nandà ho isan’ireo mpanakana izy ireo, raha ny angom-baovao azo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nampangain’ireo entana halatra tratra teny aminy ihany koa ireo olon-dratsy ireto. « Anatin’ny famotorana azy ireo mihitsy izahay izao, hoy ny tompon’andraikitry ny zandary iray any amin’iny faritra iny, ary inoana fa tsy ho ela dia ho voasambotra ireo namany hafa tafatsoaka ».

Ao anatin’izany hatrany dia nilaza ity tompon’andraikitra ity fa taorian’iny sy ireo fanafihana nisesisesy tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tato ho ato izay, dia nandray fepetra henjana ny eo anivon’ireo mpitandro filaminana hiarovana ireo mpandeha sy mpitatitra. Araka izany, dia nampitomboina ireo mpitandro filaminana manaraka ireny taxi-brousse ireny. Misy ihany koa ny fametrahana azy ireo amin’ireo toerana mena, izay matetika isehoan’ireo fanakanan-dalana. Mazàna moa dia any an-kebakeban-tany sy lavitra tanana. Tsy maintsy hampivondronina amin’ny toerana iray ihany koa ireo taxi-brousse sy fiara rehetra handeha hizotra amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny amin’ny toerana iray, alohan’ny hiaingany, mba tsy hisy ho very an-dalana na handeha irery, indrindra fa ireo tsy maintsy handeha alina. Araka izany, entanina izy ireo mba hanaraka tsara ny fepetra sy ny toromariky ny tompon’andraikitra, hoy hatrany ny fanazavàna azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici