Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teo an-tampon-tanana’Ambovombe omaly maraina. Fiara fitanteram-bahoaka iray no lasibatra tao anatin’izany. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, tsy nisy ny namoy ny ainy nandritra izany, saingy ny naratra kosa no nisy ary lasan’ireo olon-dratsy ny entana sy ny volan’ireo mpandeha rehetra. Raha ny voalaza hatrany dia irony taxi-brousse mampitohy an’Ambovombe sy Fort-Dauphin ity niharan’ny fanafihan’ireto jiolahy mpanakan-dalana ireto. Niainga vao maraim-be, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tao an-tanana ity farany ary tsy mbola tafavoaka akory dia efa nosakanan’ireo malaso. Nobahanan’ireto olon-dratsy tamin’ny hazo be moa ny lalana, ka tsy nisy nialàna mihitsy. Ary raha iny tafajanona iny ilay fiara dia nipoitra avy hatrany izy ireo, nirongo fitaovam-piadiana isan-karazany. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia daroka tsy misy resaka no niantefa teny amin’ny lohan’ilay mpamily. Ireo hafa kosa, nanao amboletra niditra ny fiara ary nandroba ireo mpandeha rehetra tao anatiny. Lasa avokoa ny entana rehetra sy ny vola tany amin’izy ireo raha ny angom-baovao azo hatrany. Mazava ho azy fa somary nanam-potoana nanaovana ny asa ratsiny ireto farany ary nanararaotra mihitsy. Rehefa nahavita izay danin’ny kibony izy ireo vao nitsoaka. Taorian’ny zava-nisy moa no tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Nanatanteraka avy hatrany ny fanarahan-dia ireto mpanafika ireto. Noraisina avy hatrany ihany koa ny fepetra ny hanaovana sahavao ireo toerana manodidina, izay mety niafenan’ireto olon-dratsy ireto. Ilay mpamily naratra moa dia efa tsy nisy natahorana intsony ny amin’ny ainy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy rahateo ny tenany.
m.L